Lalam-pirenena Faharoa – Kamiao nanapaka ny lalana tao anatin’ny iray andro
Alina tontolo ary mandra-paharainan’ny andro dia nitoman-davana ny fitohanan’ny fifamoivoizana tao amin’ny lalam-pirenena faharoa. Fiara vaventy irany no panina ka nibahan-dalana teo ny aliny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Feno enta-mavesatra izy io, izay saika hiakatra aty Antananarivo no nibahan-dalana. Ny andro rahateo avy orana, ka nalama ny lalana ary tsy tafakatra ny fiakarana ilay fiara. Voatery nanokatra lalan-tany na irony antsoina hoe deviation irony ireo tovolahy matanjaka tamin’ireo tanàana manodidina ny fiakarana Mandraka hiditra an’i Marozevo. Teo afovoan’ny fiakarana no nitambotsotra tampoka ilay kamiao satria voalaza fa tsy nahazo intsony ny tsindry hisatra, ka nibahana ny arabe. Vokatr’izany, tapaka tanteraka ny lalana, nanomboka tamin’ny 8 ora sy sasany alina tany ho any ary nikatso tanteraka ihany koa ny fifamoivoizana. Lasibatra voalohany tamin’izao fikatsoan’ny fifamoivoizana izao ireo fiara mpitatitra olona amin’ireo kaoperativa manao zotra nasionaly mahazo an’iny faritra Atsinanana iny.
S.A