Sambava – Zanaka jeneraly « mpangalatra lavanila »
Mirongatra ny halatra lavanila ao Sambava. Ny zoma lasa teo nisy nampahafantatra ny Solombavam-bahoaka voafidy tao Sambava, Jack fa misy lavanila halatra ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambodisatrana. Araka ny loharanom-baovao dia trano roa no nanaovan’ny zandary fisavana ka ny iray amin’izany dia tranona zanaka jeneraly. Rehefa natao ny fisavana dia vaky nandositra ity farany fa ny vady aman-janany ary ny mpamiliny no tratra tao ka nosamborina raha ny loharanom-baovao hatrany. Lavanila manta 300 kilao kosa no tratra tao amin’ny ilay trano iray izay teo akaikiny ihany. Nosamborin’ny zandary ilay lehilahy nahatratrarana izany entana halatra izany. Tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ankadirano ihany koa dia mbola nahatratrarana lavanila manta halatra ny herinandro lasa teo. Nandositra ilay mpangalatra fa fotoana fohy taty aoriana dia voasambotry ny mpitandro filaminana tao amin’ny Fokontany Antanifotsy tampon-tanànan’i Sambava. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka, ka voatery naverina tany amin’ny toerana niaviany. Mbola tamin’ny herinandro lasa teo ihany, lavanila milanja 300 kilao no tratra tao anatin’ny fiara Express iray tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Nosy Harina ao amin’ny distrikan’i Sambava. Natahotra fitsaram-bahoaka ilay mpamily ka rifatra nilefa fa ireo entana halatra kosa efa azon’ny mpitandro filaminana.
Mandeha ny feo ao Sambava, manoloana ny firongatry ny halatra lavanila misy ao an-toerana izay fa misy orinasa na “Société” iray mampiahiahy ao amin’ny tanàna antsoina hoe Benavoana, orinasa eny amin’ny lalana mankany Antalaha no ivantanan’ireo vokatra halatra. Araka ny feo mandeha any an-toerana, misy lavanila maitso milanja 1 100 t avy any Ambanja no fantatra fa halefa mankany amin’io orinasa io. Raha ny voalazan’ireo mponina dia tsy azo Ivezivezena ny 500 metatra manodidina io orianasa io.
S.A