Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fianarantsoa – Zanaka senatera nifaoka fiara Sprinter

Tsy eto amintsika irery fa na any ivelany aza matetika tsy mahay mitondra tena foana rehefa zanaka olona manan-katao na manam-boninahitra. Ny ankabeazan’izy ireny mantsy miantehitra ny volaben’ny ray aman-dreniny fotsiny ka manao izay tiany atao ary mieritreritra fa ambony lalàna mihitsy aza. Ny zoma lasa teo izao tao Fianarantsoa dia zanaka manam-boninahitra na loholona iray no nanao hadalana be ka saika namoizana ain’olona. Vantany vao nahazo ireny fiara mandeha mafy ireny ilay tovolahy ka nivoaka alina nandeha nanandrana ny fandehany. Teo am-panaovana « pointes » anefa ity farany dia nifaoka fiara marika sprinter iray izay nipetraka soa aman-tsara teo amoron-dalana. Raha ny loharanom-baovao voaray dia nandeha faran’izay mafy izy nitondra ity fiara vaovao ity ka tsy voatanany intsony ny familiana ka nifatratra teo amin’ilay fiara sprinter. Nisy mihitsy aza ny nilaza fa raha toa ka tsy nandona ilay sprinter izy ireo dia nandona tambohon’olona ary mety namoizana ain’olona mihitsy. Potipotika araka izany ny lohan’ireo fiara, na ilay noentin’ilay zanaka senatera na ilay sprinter. Tsy nisy ny aina nafoy fa tovolahy iray sy tovovavy miisa 4 tao  anatin’ilay fiara nandona no samy naratra mafy avokoa. Mba hanafenana ny fahotana mahafaty nataon’ity zanaka manam-boninahitra ity anefa, araka ny vaovao voaray ihany, dia niantso kamiao hitatitra ireo fiara izy. Tsy vitan’izany fa rehefa naheno ny loza ireo manam-boninahitra tao an-toerana anisan’izany ny tompon’andraikitra ambony iray sy ny vadiny, ny polisy ao amin’ny Fip, dia nidina an-tsehatra nijery ny zava-nisy avokoa. Efa vory anefa ny vahoaka  na dia efa tamin’ny 12 ora alina aza ny andro, ka tsy nisy azon’izy iro natao nanafenana ny nataon-janany intsony. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia tsy vao izao ireo tanora zanaka manan-katao ao an-toerana ireo no misetrasetra tahaka izao saingy tsy misy mahateny azy ireo ao an-tanàna. Marihina fa fiara vao nokasaina hovarotana io sprinter voadona mafy io.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre