Manao tsinontsinona ny vahoaka
Alatsinainy maraina amin’ny 5 ora sy sasany, vao mifoha ny ankamaroan’ny vahoaka dia fahatapahan-jiro no miandry. Tsy fantatra izay antony fa toa mba nandeha tsara ihany ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro. Vao mitsidika anefa ny herinandro vaovao dia efa delestazy no fanomezana goavana tsy manam-paharoa atolotry ny Jirama sy ny mpitondra Fanjakana ny vahoaka. Mazava ho azy fa tsy hafaliana sy firavoana ary tsiky no aterak’izany fa fahasorenana sy ompa ary ozona sy fiantsoana tody ho an’ireo tompon’andraikitra noheverina ho nahavanon-doza. Loza tokoa no aterak’io delestazy amin’ny fanombohan’ny herinandro io satria manakana ny risipon’ny rehetra hiasa tsara sy hazoto amin’ny andraikitra tandrify azy. Vao alatsinainy maraina mantsy dia hita fa maro ireo nitafy akanjo tsy nipasoka teny an-dalana, be ireo voatery nandro tamin’ny rano mangatsika, ary tsy vitsy ireo sehatr’asa voatery nanajanona ny asany satria tapaka ny jiro.
Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tany misy Fanjakana tokoa ve eto. Sady eny no tsia ny valiny. Eny rehefa tombontsoan’ny mpitondra no resahina. Rehefa hanampim-bava ny vahoaka tsy hiteny sy haneho hevitra dia hita fa tany misy Fanjakana tan-dalàna eto. Afaka mibaiko ny mpitandro filaminana hivadika ho hery famoretana mantsy ny mpitondra rehefa hanakana hetsi-bahoaka. Tonga amin’ny angady sy ny harona rahateo ireo tandroka aron’ny vozona rehefa ny vahoaka no sakanana tsy haneho hevitra.
Tsia kosa no valin’ny hoe tany misy Fanjakana ve eto rehefa ady na fandraisana fepetra entina hitsinjovana ny vahoaka no resaka. Aiza izao ny mpitondra amin’izao fidangan’ny vidim-piainana izao ? Miakatra avokoa ny vidin’entana rehetra eny an-tsena nefa mangingina tsy handrenesam-peo ry manam-pahefana isany izay milaza fa nahavita be ary afa-po amin’ny zava-bitany. Aiza ihany koa ry be fampanantenana fa hivaha ao anatin’ny volana vitsy monja ny delestazy. Toa tsy mahita vahaolana akory nefa ny fampanantenana sy ny fireharehana mipoapoaka mahafaty voalavo an-davaka.
Tsy sanatria ny vahoaka malagasy no be menomenona sy tsy ilaozan-taraina fa kosa efa tena mitsidika isam-baravarana i Razafindratapaka sy Ikotondrakikina, araka ny hiran’ny mpanakanto Tsialonina. Ny fahantrana mamely, ny aretina toy ny pesta mirongatra, ny vidim-piainana midangana ary ny tsy fandriam-pahalemana sy ny delestazy samy manao tamba-be hamono an-dRamalagasy avokoa. Tsy misy hafitsoka anefa ny mpitondra Fanjakana manoloana izany fa dia miady irery ny vahoaka ka izay mafy toto sy afaka mizatra ny mafy ihany sisa no mbola tafajoro.
Hatramin’ny oviana anefa no hahavita hiaritra ny mafy sy ny mangidy ? Nataon’ny rehetra ihany ny hiari-pery satria izay maharitra vadin’andriana saingy efa ho 3 taona izao vao mainka maneno sahona izay zava-mitranga rehetra. Mitaintaina toy ny sahobakaka am-bodiriana ny vahoaka malagasy ary na ny handefa radio ao an-trano aza mampatahotra sao sanatria tapaka eo ny jiro ka hanimba ny fitaovana. Na hividy zavatra eny amin’ny mpivarotra aza mahimahina be ihany sao misy fisondrotam-bidy tampoka ka ho afa-baraka eo raha tsy ampy ny vola kely eny an-tanana.
Nantenain-kanirina vao mainka nampivandravandra ! Nampanantenaina mantsy ny vahoaka fa handroso be amin’izay ny firenena satria nahazo famatsiam-bola sy fampiasam-bola hatramin’ny 10 miliara dolara mahery ny Fanjakana. Nomena toky ihany koa ny Malagasy fa hampitombo roa heny ny fomba fiasany ny tompon’andraikitra rehetra mba hanafainganana ny asa fampandrosoana. Toy ny mifanohitra amin’izany anefa ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao satria toa vao mainka mihisatra ny asa fampandrosoana ny firenena. Ratsy fiatombohana iny alatsinainy omaly iny, ratsy fiatombohana ity herinandro ity, ary ratsy fiatombohana ny taona 2007. Inona indray no fanazavana ho entin’ny mpitondra ? Ho vitan’izy ireo ve ny hanarina izany zava-dratsy rehetra izany ? Ny andro sy volana ho avy no aoka haneho ny valiny.
Ravalo tsy Manana