Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Mahajanga – Vehivavy mpangala-badin’olona nahafaty ny tompom-bady

Lasa toy ny kilalaon-jaza ho an’ny sasany ankehitriny ny fampirafesana. Tsy mahafehy tena amin’ny fananana ny vady ao an-tokantrano fa mbola mitady hafa. Ny tsy ao an-tsain ‘ireo izay manao izany anefa dia olana iniana ampidirina amin’ny fiainan-tokantrano izany. Tsy fahafehezana ny atao hoe fanambadiana ve sa tsy fahaizana mamaritra ny atao hoe fitiavam-bady. Tsy mifidy sokajy izany ankehitriny fa samy manao avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy. Ity tranga tany mahajanga tany Tsararano ity kosa dia ralehilahy no nampirafy ka tratran’ny vadiny tamin’ny zoma lasa teo. Ilay mpangala-badin’olona indray anefa no avo vava ka tsy nahatohitra ny tompom-bady ary dia raikitra ny ady ka niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana. Maty tamin’izany ity farany ka rafitra nandositra ilay sipan’drangahy. Niantso mpitandro filaminana ny mpiara-monina nanatrika ny zava-nitranga ka rifatra nandositra ilay nahavanon-doza. Ilay lehilahy sakaizany no voatery nosamborin’ny fianakavian’ilay ramatoa maty mba hahafahana mitady ilay sipany. Efa eo ampelantanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao ary mandeha ny fikarohana ity farany.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre