Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Rano miloko mainty no jifain’ny mponina

Olana iray anisan’ny goavana indrindra, ankoatra ny fahatapahan’ny jiro ao Toamasina ny fahatapahan’ny ranon’ny Jirama. Mitaraina mantsy ny mponina, indrindra fa ao amin’ireo faritra maro ao Toamasina renivohitra fa tapaka ora maro ny rano ary tsy misy hampiasaina amin’ny fidiovana sy ikarakarana sakafo. Indraindray ihany mantsy vao mba mandeha ny rano ka nanjary lasa ilaharana ireny paompy ireny. Tsy vitan’izay anefa fa fahakiviana mihitsy no azon’ny vahoaka satria rano miloko maintimainty be no nivoaka ny paompy ny alahady lasa teo ary mbola nitohy hatramin’ny omaly izany. Rano tsy azo sotroina ary tena mankarary mihitsy satria tsy fantatra intsony na ranon-tany na inona no mahatonga io fiovan-doko io. Iaraha-mahalala anefa fa andro anisan’ny tena ilan’ny mponina rano izany andro Alahady izany, indrindra fa ny alatsinainy izay andro voalohany hanomanana ny herinandro. Voatery nandeha nantsaka rano tany amin’ny vovo na ireny paompy tany ireny noho izany ny mpanjifa izay mahatsiaro ho nasian’ny Jirama tampoka. Tsy nisy tokoa ny fampilazana mialoha nataon’ity orinasam-panjakana ity. Araka ny fanazavana azo dia mba ho fikojakojana ny fantsona lehibe efa tena antitra no nahatonga ireny fahalotoana tampoka ireny. Efa manomboka miverina amin’ny laoniny kosa ny lokon’ny rano amin’izao fotoana izao. Na izany aza anefa ampahatsiahivina mandrakariva isika fa ilaina ny mampangotraka ny rano hosotroina hisorohana ny aretina mety hitranga mba tsy hitarika fahasahirana hafa indray.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre