Vola sandoka – Efatra tapitrisa ariary mahery saika haparitaka tao Ambatolampy
Nahazo fampitam-baovao izy ireo fa misy olona manakalo vola dimy arivo ariary ho lasa iray alina ariary ao an-toerana. Mailo avy hatrany izy ireo raha nahare izany, natao ny fikarohana rehetra sy ny vela-pandrika ka izay no nahatratrarana avy hatrany ity raim-pianakaviana ity. Niezaka ny nandositra ity lehilahy mpanakalo vola ity fa rehefa raikitra ny fifanenjehana dia natsipiny ilay sakaosy lehibe nisy ny vola rehetra, izy kosa tafaporitsaka. Avy any amin’ny Kaominina Ilaka Afovoany no fantatra fa niavian’ireo vola ireo ary naparitaka teo an-tampon-tanànan’Ambatolampy, rehefa nanao ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Ankoatra ireo izay efa voatakalo dia mbola nahatratrarana vola mitentina valo hetsy sy efatra tapitrisa ariary ireo vola tsy ara-dalàna sarona tany amin’ilay rangahy. “Toy ny tena vola mihitsy ny endrik’ilay vola sandoka izay mitovy avokoa ny laharany. Ny habeny fotsiny no somary latsadatsaka kely amin’ny vola tena izy. Raha tsy mahay manavaka dia tena voafitaka.” Raha ny fanazavana noentin’ny lefitry ny Kaomandin’ny Kaompanian’ny zandary ao Ambatolampy. Telo mianadahy no voasambotra tany Ilaka afovoany, ary izy ireo ihany no nasaina nanoro ny trano fieren’ireo atidoha mikasa hanaparitaka izany ao Ambatolampy kanefa efa tsy nisy tratra tao an-tranony tsirairay intsony. Ny teny anivon’ny zandarimariam-pirenena kosa dia manentana ny besinimaro mba ho mailo hatrany rehefa mandray vola satria dia azo antoka fa efa tsy maintsy niparitaka manerana ny Nosy ireo vola sandoka ireo.
S.A