Mpangalatra môtô nitsoaka – Lany solika teny an-dàlana ka noraisim-potsiny
Nanjary lasa rivotra iainan’ny Malagasy ankehitriny ny tsy fandriam-pahalemana. Na misy mantsy na tsy misy fandraisana andraikitr’ireo mpitandro filaminana dia toa mitovy ihany ny fiainan’ny mponina satria dia tebiteby lalandava no iainana. Rariny loatra noho izany raha toa ka manjaka ny fitsaram-bahoaka isan’andro vaky izao satria efa tsy misy intsony ny fahatokisan’ny vahoaka an’ireo lazaina fa mpitondra ireo. Vao ny faran’ny herinandro teo indray izao no nisy mpangalatra môtô iray niharan’ny fitsaram-bahoaka tao Toamasina, tao akaikin’ny Hopitalibe raha ny marimarina kokoa. Raha ny vaovao voaray tany an-toerana dia kodiaran-droa vao naterin’ny tompony tao amin’ny tranon’ny namany no notetehin’ity rangahy ity hangalarina. Tsy manana toerana hametrahana an’io fananany io mantsy ilay tompony ka tsy maintsy haterina isan-kariva ao amin’ity heverina mba ho sakaiza tsara . Tsikaritr’io rangahy io anefa izany ary nandrasany kendry tohana dia nangalariny. Variana kely ilay olona niambina azy, ny fanalahidy sy ny fiaro-loha rahateo mbola tavela teo amin’ilay môtô ka avy dia nanaovan’ilay mpangalatra dia nitsoaka izy. Nifanenjehana metatra maromaro ihany ity farany saingy tsy tratra mihitsy. Ny nahatsikaiky ny maro rehefa nandeha lavidavitra ilay mpangalatra dia lany solika. Voatery nanosika izany ilay mpangalatra. Ny tsy fantany anefa dia teo alohan’ny tranon’ny tompon’ilay môtô mihitsy izy no nanosika ity fitaovam-pitaterana. Noraisim-potsiny noho izany ilay rangahy ary polisin’ny Fip notarihin’i komanda Jules Rafaliarivo mihitsy no nantsoin’ny tompon’entana nisambotra azy. Mbola nieritreritra ny hitsoaka ihany anefa ary teo no nahazoany daroka avy tamin’ny mpitandro filaminana. Tafaverina tamin’ny tompony kosa ilay kodiaran-droa efa saika nampamangy.
Ra Tax.