Tratran’ny fahirano ny vahoaka
Tsy miafina intsony ary tena mampibaribary ny fomba fisainany ny sokajin’olona tsy mikatsaka afatsy ny fitiavan-tena sy hangoron-karena manoloana ny fahasahiranam-bahoaka. Nipoitra avokoa tamin’iny volana janoary lasa iny ny endrika rehetra hampijaliana sy hitsetsefana ny vahoaka. Ny faramparan’ny volana, izany hoe omaly sy afak’omaly dia niakatra be tampoka teo ny vidim-bary. Tsy vitan’izany fa mbola nanjavona teny an-tsena ihany koa ny vary vokatra teto an-toerana. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy mbola lany ny ambim-bava tamin’ny voka-bary tamin’ny herintaona ary mbola betsaka mihitsy izany. Mazava ho azy fa nohararaotin’ny mpijirika ny filazàn’ny minisiteran’ny varotra fa tsy ho ampy ny voka-bary amin’ity taona ity. Nasitrik’ireo mpamongady, noho izany ny tahiry ao amin’izy ireo ary ireo tahiry any amin’ny mpamokatra kosa dia nahoron’ireo mpijirika. Asa fivelomana sy fakana tombony no ataon’ireo mpandraharaha ireo nefa kosa hita mazava fa misy fanararaotana mihoampampana. Raha ny tokony ho izy mantsy dia manaraka ny vidim-bary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vary eto Madagasikara. Izany hoe ny vidin’ny iray kilao amin’ireo vary nafarana no tokony harahin’ny vary vokatra eto an-toerana. Raha ny mahazatra aza dia mora kokoa ny vary “stock” noho ny makalioka sy ny vary gasy. Tsy izany anefa no mitraga amin’izao fotoana izao fa tafakatra Ariary 2000 mahery ny kilaon’ny vary novokarina teto an-toerana. Eny amin’ny ankamaroan’ny tsena aza dia tsy misy intsony izany satria nasitrika mba hahafahana mampiakatra avo be ny vidiny avy eo.
Izao zava-misy izao dia tena mampiseho fa tena ny hamonoana ny Malagasy mihitsy no katsahin’ireo mpijirika sy mpanararaotra ireo. Rehefa ny foton-tsakafo no tapahina sy afenina ary atao lafo be mba tsy ho takatry ny vahoaka dia mazava ho azy fa izay tsy hampihinan-kanina ka hahafaty ny olona no tanjona. Izay mahantra sy sahirana ara-bola izany manomboka izao dia tsy hanan-jo hihinam-bary intsony. Mampatsiahy ny zava-nisy tamin’ny krizy naharitra be tamin’ny taona 1991 izao miverina amin’ny resaka famatsiam-bary izao. Efa nisy fotoana mihitsy ny vahoaka tamin’ireny 1991 ireny no lasa nitady katsaka sy mangahazo atao foton-tsakafo. Tamin’ny taona 2002 ihany koa dia efa nananontanona ny tsy fahampian’ny sakafo satria notapahin’ny fahavalom-pirenena ny tetezana mampitohy ny lalam-pirenena. Fotoanan’ny krizy anefa tamin’ireny ka tsy mahagaga raha nikorontana ny famatsiana ara-tsakafo ny vahoaka. Ny fitokonana lavareny sy faobe nataon’ny mpiasam-panjakana sy ireo sehatra hafa voakasiky ny varotra sy ny fitaterana no nahatonga izany. Izao anefa lazaina fa milamina ny ara-politika ary marin-toerana ny fitondram-panjakana nefa tafakatra hatramin’ny Ariary 2000 ny vidin’ny vary iray kilao ary ambonin’izany dia mbola manomboka tsy misy ihany koa eny an-tsena.
Raha atao bango tokana izany ny zava-misy dia tsy azo ialana fa tena vokatry ny tsy fahaiza-mitantana no mahatonga izao fiakaran’ny vidim-bary izao. Misy fitondram-panjakana foibe sy minisitera ary sampan-draharaha maro tokony handray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny resaka fivarotana sy ny vidim-bary eto Madagasikara. Misy ny vary ary tsy tokony ho lafo saingy ny mpanararaotra no betsaka. Tara fiasa sy miraikiraiky amin’ny fandraisan’andraikitra reo manam-pahefana ka ny an’ny mpanararaotra sy ny mpijirika no lasa aloha. Toy ny tany tsy misy Fanjakana eto ka rehefa miantraika eny anivon’ny fiainam-bahoaka hatrany ny vesatry ny fahantrana noho ny tsyt fahaiza-mitantana vao mody mikoropaka sy mivorivory hitady vahaolana ny mpitondra. Misondrotra tanteraka ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao nefa tsy mahita vahaolana ny fitondram-panjakana. Miakatra ny solika, ny jiro sy rano, ny vary sy menaka ary siramamy, mitohy ny delestazy, tapaka ny internet, mirongatra ny lozam-pifamoivoizana sy ny tsy fandriam-pahalemana ary ny fitsaram-bahaoka. Izany ve no asa fampandrosoana sy fanovàna nampanantenaina. Mila vahaolana maika izany rehetra izany sao hararaotin’ny sasany ka ho lasa taonan’ny fanonganana ilay taonan’ny fananganana.
Ravalo tsy Manana