Vahoaka malagasy – Kamboty velon-dray
Nampiavaka ny taona 2016 ny fahamaizana tranon’olona maro dia maro manerana ny Nosy. Nisy ny namoizana aina’olona, tao ny fahalevonan’ny harena tao anatin’ny ora vitsy monja nefa nohariana nandritra ny taona maro. Mbola betsaka ireo tsy nahatafarina ny rava, nefa tsy hita intsony izay fandraisan’ny fanjakana andraikitra amin’ny fanampiana azy ireo.
Tsy afa-doza ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Raha vao nanomboka, ihany koa ny taona 2017 dia tsy nitsahatra naharenesana faty olona ny volana janoary raha tsy hilaza afa-tsy ilay namoizana ain’olona 40 mahery tany Anjozorobe tamin’ny faran’ny herinandro teo isika.
Miaina anaty karazam-pahoriana ny vahoaka Malagasy. Hatramin’izay any amin’ny faritra atsimo no aharenesana fa misy haintany. Mibaribary toy ny tafika andrefan-tanana anefa ny zava-misy ankehitriny fa mivadika ny lasa ka tondraka ny rano any atsimo. Mahatratra aman’aliny ireo traboina, misy ny maty… Eto an-ndrenivohitra sy ny faritra atsinanana, ritra ny rano ary taraiky ny fiakaran’ny vokatra. Eo anatrehan’izany, tsy misy henatra akory fa sahy manararaotra ireo mpivarotra mampakatra ny vidim-bary. Rehefa dinihina anefa tsy tokony mbola hisy fiantraikany amin’izao fotoana izao ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, izay hisy fiantraikany amin’ny fambolena, indrindra ny fambolem-bary. Kamboty velon-dray ny mponina manoloana izany satria hatreto dia tsy mbola aharenesana fandraisana andraikitra ny tompon’andraikitra izay nanankinan’ny vahoaka fitokisana. Toy ny fianakaviam-boalavo ka samy mitady izay harapany sisa no fiainana eto Madagasikara. Potika ny soatoavina izay taratra eo amin’ny tsy fisian’ny fifampitokisana intsony satria betsaka ary mitombo ny mpanararaotra.