Vous êtes ici :

Mardi 26 Novembre 2024

ombre

Sainte-Marie – Mpanarato efatra tsy hita popoka

Nanomboka tamin’ny vola desambra makaty dia efa ho mpanarato efatra izay no tsy hita popoka tany amin’ny fari-dranomasin’i Sainte-Maria. Mampiahiahy tokoa ny fanjavonan’ireto raim-pianakaviana satria hatramin’izao dia tsy mbola hita nitsingevana ny razana araka ny mahazatra na dia iray aza. Tsy rendrika akory ny lakana, tsy misy andro ratsy mety hitera-doza, ary tsy mbola hita  miverina an-tanety nefa dia tsy hita tsotra izao izay nanjavonan’izy ireo. Miteraka tahotra amin’ireo mpanarato ity trangan-javatra ity ary samy manana ny fomba fahitany izany ny olona any Sainte-Marie.   Mila fandraisana andraikitra haingana ity trangan-javatra ity fa ahiana ho tapitra ireo mpanarato any  Sainte-Marie any, raha izao no mitohy. Tebiteby lava no iainan’izy ireo sy ny vady aman-janany, manoloana ny zava-misy amin’iny fari-dranomasin’ny nosy iny.

Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany koa dia mbola nahoraka be tamin’iny faritra Atsinanana iny ihany fa sambo mpitatitra olona  eo anelanelan’ny faritra Sava sy Toamasina iny no tsy hita popoka daholo ny mpandeha tao anatiny kanefa ny sambo tsy rendrika akory. Lasa ny eritreritry ny mpanara-baovao manoloana ny zava-misy. Tsy mbola nahitana na iray aza herinandro vitsy aty aoriana na dia razana iray aza nitsingevana teny ambony ranomasina raha sanatria ka maty tokoa ireo olona voalaza etsy ambony ireo. Mangataka ny fanjakana mba hijery akaiky ity toe-java-misy ity ireo  mponina, indrindra fa ireo miaramila mpiandry ny sisin-tanin’ny malagasy.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre