Mahajanga – Miaina anaty loto ny vahoaka, miparitaka ny valan’aretina
Mijaly tanteraka ny mponin’ny Mahajanga amin’izao fotoana izao. Efa nanomboka ny 30 janoary lasa teo mantsy no nanomboka tapatapaka ny jiro ary tsy mijanona izany hatramin’izao. Menenika ny fokontany 26 mihitsy izany amin’izao ary miaina anaty aizina lalandava ny mponina. Ny asa andavanandro amin’izany efa tsy misy mandeha amin’izay laoniny intsony. Tsy vitan’izany anefa fa mitaraina ary tofoka ihany koa ny vahoaka amin’izao noho ny loto mihoapampana eraka ny tanàna, indrindra fa eny amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny. Manomboka eny Tanambao Sotema ka hatreny amin’ny tobim-pahasalamana Csb II dia mameno ny arabe ny fako ary tena mantsina sy manimba tontolo iainana tsy misy ohatra izany. Tsy vitan’izany fa nanjary nitarika fitohanan’ny fiara ao an-toerana mihitsy izany. Miha mahazo vahana ao an-tànana hatrany ny valan’aretina satria loto no miparitaka. Mitombo noho izany ireo tratran’ny aretin-kibo, aretin’ny fitaovam-pisefoana ary atahorana mihitsy ny mety hisian’ny pesta ao Mahajanga.
Ra Tax.