Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Mariky ny fikomiana ny fitsaram-bahoaka!

Efa mandia ny febroary, volana faharoa amin’ny taona indray isika izao. Volana izay andrasan’ny rehetra fa tena hanamarika ny ho fizotry ny raharaham-pirenena sy ny asa fampandrosoana amin’ity taona ity. Raha ny janoary lasa iny mantsy no atao jery todika dia fahapotehana sy fihemorana no azo ambara. Tsy arakaraka ny fampanantenan’ny mpitondra Fanjakana fa vao mainka niharatsy ny zava-misy rehetra teto amin’ny firenena. Nihamafy ny delestazy, nirongatra ny tsy fandriam-pahalemana sy ny fitsaram-bahoaka, sesilany ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona maro, niakatra avokoa ny vidim-piainana rehetra. Tena tsy afaka nanao na inona na inona mihitsy ve ny mpitondra Fanjakana nanakanana izany zava-doza rehetra izany ? Tsy anjara na lahatra mantsy ireny loza sy fahantrana ireny fa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana avokoa. Ny mba azon’ny mpitondra Fanjakana natao dia ny manao fanambaràna sy fanazavana tsotsotra fa handray andraikitra. Izany hoe hamono afo.

Hanao izay tsy hiakaran’ny saran-dalana, hanara-maso ny vidim-bary, hitady vahaolana amin’ny delestazy ary hikaroka fomba mahomby hametrahana fandriam-pahalemana sy hanatsaharana ny fitsaram-bahoaka. Miantomboka amin’ny “Hi” avokoa ny tenin’ny mpitondra. Izany hoe miresaka ny hoavy izay mbola mifono misitery. Tsy ny hoavy intsony anefa izao no iantsoan’ny vahoaka vonjy fa ny ankehitriny. Ny tsinay tsy mba vatsy, ny kibo tsy mba lamosina ary raha noana ny kibo mivezivezy ny fanahy. Ny hanoanana sy ny harerahana ary ny aretina sy ny fahafatesana tsy afaka miandry ny hoavy izany fa eo noho eo ihany dia mamely. Ny asa anefa tsy misy ary ireo izay mitady fomba hameloman-tena amin’ny asa noforoniny ho azy manokana dia lasibatry ny delestazy. Firifiry ireo mpanao volo, ny mpampanofa internet, ny mpandrendrika vy,…izany hoe ireo manao asa tena ka mampiasa herinaratra no tsy nahaloa akory ny ofan’ny trano ampiasain’izy ireo tamin’iny faran’ny volana vao nivalona iny. Noho ny delestazy dia tsy afaka manao ny asany araka ny tokony ho izy, izy ireo ary miditra fatiantoka lalina. Ho an’ireo miasa amin’ny sehatra ara-dalàna kosa indray dia tsy nisy ny fisondrotan-karama fa ny teo ihany no teo. Ny mpiasam-panjakana ihany koa dia mitaraina fa tsy misy dikany mihitsy ilay fampisondrotana nampanantenain’ny filoha. Manoloana izany rehetra izany anefa dia niakatra 35% ny vidim-bary eny an-tsena. Vary novidiana Ar 1 300 ny iray kilao tamin’ny fiandohan’ny volana janoary lasa, Ar 2000 amin’izao fiandohan’ny volana febroary izao. Tsy hita izay andraikitra raisin’ny fitondram-panjakana ankoatra ny hoe hanara-maso.

Tsy fampanantenana sy fanaraha-maso no ilain’ny vahoaka fa vidim-bary midina, saran-dalana tsy miakatra, ary jiro tsy tapaka. Rehefa tena jerena mantsy dia io hamafin’ny fiainana io no mahatonga ny vahoaka hitroatra sy hikomy. Taloha dia ny doro tanety no fomba fanehoan’ny olona ny tsy hafaliany amin’ny mpitondra fanjakana sy ny tsy fitantanana mahomby eto amin’ny firenena. Mbola mitohy io fomba fanao io ary niampy hafa indray amin’izao fotoana izao. Fanehoana ny fikomiana sy ny fanehoan-kery io fitsaram-bahoaka misy amin’izao fotoana izao io. Asehon’ny vahoaka fa sady tsy matoky no tsy mankatoa ny tompon’andraikim-panjakana sy ny lalàna velona eto amin’ny firenena intsony izy ireo. Asehon’ny malagasy ihany koa fa manan-kery afaka hiaro tena sy hiady izy ireo. Tena mariky ny hatezerana efa tsy zaka intsony ao anatin’ny olombelona ny fanaovana fitsaram-bahoaka satria finiavana hamono olona tsotra izao. Misy antony anefa mampitroatra io hatezerana mivaivay io dia ny fahadisoam-panantenana amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena. Tsy hita izay ataon’ny mpitondra izay nampanantena fa handroso be amin’izay i Madagasikara satria nahazo famatsiam-bola 10 miliara dolara mahery. Tsy mahagaga raha mitroatra ny vahoaka.

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre