Anosy – Telovavy mpisoloky milaza ho mahavita pasipaoro
Mafy ny fiainana, tsy hitan’ny vahoaka Malagasy intsony izay iainana ka manjary lasa manaotao foana ny maro amin’izao fotoana. Tsy manome rariny na tsiny an’iza na iza sanatria fa aleon’ny sasany mandeha mangalatra sy misoloky. Hiandry ny fitondram-panjakana hanova ny loko mainty ho fotsy ary ve ny vahoaka efa noana sy refona. Ankehitriny noho izany dia tsy mifidy saranga fa na lahy na vavy dia roboka anaty fisolokiana sy ny halatra avokoa. Lehilahy iray indray mantsy no lasibatra ary ny nahatsikaiky dia vehivavy miisa telo be izao no miara-miasa manao ny asa ratsy. Raha ny vaovao voaray dia lehilahy avy any Mahajanga izy io ary niakatra aty Antananarivo fa hanamboatra taratasy ahazoana misidina mankany ivelany na ny pasipaoro sy visa izany. Raha vantany vao tonga teto an-drenivohitra izy dia nankeny Anosy, teny amin’ny fanamboarana pasipaoro. Somary nilahatra anefa tao an-toerana araka ny filazan-drangahy ka voatery niandry fotoana lava teo izy. Tamin’izany indrindra no nanararaotan’izy telo vavy nanantona azy. Izy rahateo koa tonga dia fantatr’ireto mpisoloky fa vahiny. « Nantsoiny nisintaka tany amin’ny toerana mangingina aho ary noresahiny fa mahavita taratasy izay ilaina ao anatin’ny fotoana fohy izy telo vavy ary tsy ilaina akory ny milahatra eo. Nilaza izy ireo fa mahafantatra olona ary efa mpanao an’io asa io saingy mila vola kosa raha tiana ho vetivety dia vita ny taratasy », hoy hatrany ilay lehilahy. Tsy nanana eritreri-dratsy ary noho ny hamehana dia nanome izay vola nangatahan’izy ireo Ranamana. Vola izay mitentina 5 tapitrisa Ariary.
Mba hanafenana ny asa ratsy ataon’izy telo vavy anefa dia noraisina soa aman-tsara ny mombamomba an’ilay rangahy sy ny antotan-taratasy ilaina amin’ny fanamboarana pasipaoro sy visa, niaraka tamin’ny laharana findainy. Omaly kosa ny fotoana nifanomezan’izy ireo hangalana an’ireo taratasy. Jerena anefa tsy nisy niantso ary tsy hita popoka ireto telo vavy. Teo vao tonga saina fa kay mpisoloky izy ireo. Avy hatrany moa dia napetrak’ilay rangahy ny fitarainana teny amin’ny polisy ary efa mandeha ny fanadihadiana sy fikarohana amin’izao fotoana.
Ra Tax.