Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Tahala Rarihasina – Hisy vatsim-pianarana hozaraina maimaimpoana

Azo lazaina fa mora ny mahazo ny mari-pahaizana bakalorea rehefa tena miezaka ny mpianatra fa ny hanohizana ny fianarana aorian’izay no tena manahiran-tsaina ny maro. Mbola maro amin’ireo mpianatra afaka bakalorea tamin’ny taona 2016 teo no mbola tsy mahita fianarana ankehitriny ary sahiran-tsaina amin’ny fisafidianana ny toerana hianarana sy ny sampam-pampianarana tokony harahina. Maro amin’ ireo ankizy nahazo diplaoma bakalorea ireo ihany koa no nanao fifaninanana hidirana taona voalohany teny Ankatso sy ny oniversitem-panjakana maro fa tsy nahomby ka mitady ny toeram-pianarana ambony mifandraika amin’ny safidin’izy ireo.

Noho io ireo antony ireo indrindra no nahatonga ny Ajeem (Association des jeunes enseignants et étudiants de Madagascar) hanatanteraka ilay hetsika « salon de l’orientation et guide des études supérieures » andiany faha iraika ambin’ny folo etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely, izay haharitra 2 andro, nanomboka omaly alarobia 01 febroary ary hifarana anio amin’ny 4ora sy sasany hariva. Ahitana mpandray anjara 15 moa ity hetsika ity ary sampam-pampianarana maherin’ny 30 eo ho eo no mandray anjara ao. Mandritra ny hetsika dia hisy ny fisarihana hatao ka izay mpianatra tsara vintana dia hahazo vatsim-pianarana maimaimpoana hianatra amin’ny toeram-pianarana  ambony iray izay mandray anjara amin’ity hetsika ity. Marihina fa maimaimpona ihany koa ny fitsidihana ny hetsika.

S.M

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre