Mahanoro – Trano 291 ravan’ny afo
Nandravarava ny afo tany Mahanoro. Trano miisa 291 tao anatin’ny fokontany Vohitromby sy Antsaratsara no rava tanteraka nandalovan’ny afo tao anatin’ny alina iray. Efa ho antsasaky ny tanàna iray manontolo no may satria 236 ny isan’ireo trano lasa lavenona tao amin’ilay fokontany voalohany ary 55 tafo kosa tao amin’ny faharoa. Izay kaominina tsy mifanalavitra raha ny toerana misy azy ireo ary iray ihany no fototra niavian’ny afo. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia tandrevaka nataon’ny renim-pianakaviana iray avy tamin’ny afo nandrahoany sakafo no nahatonga ny loza. Mora nirehitra ny trano, ka tao anatin’ny fotoana vitsy monja dia niparitaka izany. Ny lelan’afo efa nanenika ny efitrano rehetra no nanaitra ireo olona tao anatiny. Ny ankamaroan’ireo may trano dia tsy nisy naharay na inona na inona fa samy niezaka namonjy ny tenany avy ny tsirairay. Maina rahateo ny andro tany an-toerana sady nandrivotra ny andro ka nanamora ny fiparitahan’izany.
Nandritra ny ora roa ny fahamaizana no nandravarava, ny toerana tsy misy mpamonjy voina moa ny tanàna lavitra rano ka dia nitazam-potsiny ny olona sy nanao izay tsy hiparitahan’ny afo fotsiny sisa no azo natao. Tsy nisy anefa ny aina nafoy na ny naratra tao anatin’ny loza fa fahavoazana tamin’ireo olona niharan-doza no goavana. May tsy nisy niangana ny fanaka sy ny entana rehetra tao an-trano. An-jatony ireo tsy manan-kialofana sy ireo traboina. Miantso ny malala-tanana izy ireo mba hitondra fanampiana manoloana izao voina izao.
Safidy Andrianina