Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Mitady fikomiam-bahoaka !

Mitohy ny filatsahan’ny firenena ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana. Mihamafy ihany koa ny tsindry sy vesatra ary zioga apetraka eo ambozonan’ny vahoaka. Toy ny nantenain-kanirina indray mantsy no nampivandravandra. Raha nihevitra ny maro fa hiroso amin’ny fanomezana vahaolana noho ny fisondrotry ny vidim-piainana amin’izay ny mpitondra Fanjakana amin’ity volana febroary ity dia toa mifanohitra amin’izany no zava-mitranga. Niezaka nandefitra sy niaritra ny mafy ny Malagasy tamin’iny volana janoary iny na dia efa tena tsy laitra intsony aza ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana. Vao niantomboka rahateo ny taona dia maro ireo nisaina fa mbola teo am-panomanana ny drafitra entina manarina haingana ny firenena ny mpitondra. Dia niandry ny hoe aleo aloha hifarana ny janoary dia ho hita eo ny tohiny. Diso fanantenana ny rehetra fa vao nitsidika ny febroary dia efa zava-doza no nitranga. Niakatra be tsy nisy toy izany ny vidin-tsolika ary nangina ny Fanjakana fa tsy mba niaro ny vahoaka sy ny mpanjifa ary ny mpitatitra akory. Toa fanahy iniana mihitsy ny fijery io vidin-tsolika nampiakarina io satria ao anatin’ny fotoana izay mampiakatra ny vidim-piainana no nanaovana izany. Anisan’ny fepetra iray notakian’ny mpitatitra mba hahafahan’izy ireo tsy mampakatra ny saran-dalana ny fampidinana ny vidin-tsolika. Tsy izany anefa no nitranga fa vao mainka nampiakarin’ny mpivarotra solika ny vidin-dasantsy sy ny gazoala. Mazava ho azy fa na ireo mpitatitra nisalasala tsy hanondrotra ny sarany aza dia voatery tsy maintsy hiroso amin’izany mba tsy ho maty antoka. Ny tena tsy lojika amin’ny zava-misy eto Madagasikara dia izao : tsy nahitana fisondrotany mihitsy ny vidin-tsolika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tamin’iny volana janoary iny. Nisy fihenana aza izany. Ny fanazavan’ireo mpandraharaha amin’ny fivarotan-tsolika dia milaza fa ny fampiharana ny vidiny tena izy no atao amin’izao fotoana izao. Nambaran’izy ireo fa miankina amin’ny fiovaovan’ny sandam-bola Ariary ihany koa ny fiakarana na fidinan’ny vidin-tsolika. Ny tahirim-bola iraisam-pirenena moa no tena manao tery vay manta amin’ny fitondram-panjakana mba hampiharana ny vidin-tsolika tena izy sy ny vidin-jiro tena izy. Izany hoe ity tahirim-bola iraisam-pirenena ity no tena mibaiko ny mpitondra mba hampijaly ny vahoaka. Mahagaga ny haneken’ny mpitondra Malagasy izany satria ny Fmi dia mpampanjana-bola ary ny malagasy izay ataony lasibatra amin’io asa ratsy ataony io ihany no mbola tereny hampijaliana amin’ny fampakarana ny vidim-piainana. Raha tena jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy misy ilana ny fitsabahan’ny Fmi sy ny mpampanjana-bola iraisam-pirenena hafa amin’ny raharaham-bahoaka eto Madagasikara mihitsy. Raha resaka famatsiam-bola hananganana fotodrafitrasa no olan’ny Fanjakana, azo ajanona any izany. Tsy fotodrafitrasa izao  no maharary ny vahoaka fa ny tsy fisian’ny sakafo hohanina. Ilaozan’ny mpitondra manonofy hanangana izao tetikasa sy fotodrafitrasa tsy azo hanina rehetra izao fa tsy ny fampidinana ny vidim-piainana no atao. Mazava be mantsy fa mila zavatra hatao porofo fa niasa ka entina handresena lahatra ny vahoaka amin’ny praopagandy amin’ny fifidianana manaraka ny fitondram-panjakana. Fotodrafitrasa no mahamaika azy ireo fa tsy ny sosialim-bahoaka izay tena mikaikaika amin’izao fotoana izao. Tena farahidiny ny vahoaka malagasy ary miha sarotra isan’andro ny fiainana eto. Tsy hita izay andraikitra raisin’ny Fanjakana amin’ny fiakaran’ny solika, ny fiakaran’ny saran-dalana, ny fiakaran’ny vidim-bary, ny fitomboan’ny delestazy ary ny firongatry ny areti-mifindra samihafa. Ny fiakaran’ny hatezeram-bahoaka ihany no ahitan’ny mpitondra fanjakana vahoalana amin’ny alalan’ny fandefasana hery famoretana hitifitra sy hisambotra ary hanagadra ireo tsy sahy miteny ny tsy rariny sy ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Ny ataon’ny mpitondra ihany anefa no mahatonga ireny fikomiam-bahoaka etsy sy eroa ireny.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre