Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

« Hazakazaka ho an’ny Rehetra » – 60 ireo mpiasan’ny Star handray anjara

Anisan’ireo mpanohana ny federasionina malagasy ny athletisma ny brasserie star mandritra ny hetsika «  Hazakazaka ho an’ny rehetra », izay karakarainy ny alahady 5 febroary ho avy izao. Ankoatran’ireo fanampiana amin’ny zava-pisotro izay hoentin’izy  ireo, toy ny rano fisotro, dia mpiasa 60 be izao no handray anjara amin’ny hazakazaka miaraka amin’ny daholo be amin’io alahady io. Marihina fa ity hetsika ity dia misokatra ho an’ny rehetra na olon-tsotra na ireo efa matianina izay hanokatra ny hetsika amin’io fotoana io. Marihina fa mihodina indroa ny Lac Anosy ity hazakazaka ity izay entin’ny federasionina manokatra ny taom-pilalaovana ary anentanany ihany koa ny besinimaro mba hanao fanatanjahantena. Mpandray anjara arivo mahery no antenaina ho tonga amin’io fotoana io. Misokatra hatrany moa ny fisoratana anarana eny an-toerana ny andron’ny hazakazaka. Misy ny fandraisana anjara amin’izany ka arivo ariary ho an’ ankizy ary roa arivo ny olon-dehibe.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre