Fanafihan-jiolahy – Toeram-pivarotana iray lasibatra, voaroba hatramin’ny sigara
Anisan’ny toerana lasibatra matetika amin’ny fanafihan-jiolahy iny Ambondrona sy ny manodidina iny. Matetika dia toeram-pivarotana no ataon’izy ireo mahita faisana ary amin’ny andro antoandro foana no anaovan’izy ireo ny asa ratsiny. Ny alatsinainy lasa teo dia tranombarotra iray indray no lasibatry ny jiolahy miisa 7 miravaka antsy. Raha ny voalaza dia mody nividy entana teo ny iray tamin’ireo olon-dratsy ary rehefa tsy nisinisy olona vao nanambana tamin’ny antsy ireo olon-dratsy. Nasain’izy ireo namoaka ny vola maty nandritra ny tontolo andro avy hatrany ilay mpivarotra. Nandritra izany hoy ity lasibatra dia sady nandroba ny entana tao an-tsena ny sasany tamin’ireo jiolahy ary sigara no tena nalain’izy ireo betsaka tamin’izany, ankoatra ny finday, peratra sy ny maro hafa. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia lasa nitsoaka nihazo ny lalana mivoaka an’i Soarano toy ny tsy nanao na inona na inona izy ireo. Taorian’izay vao afaka niantso mpitandro filaminana izy mivady tompon’ny tsena saingy efa tsy tratra intsony ireo jiolahy. Nilaza ireo lasibatra fa tsy nisaron-tava ireo mpandroba ary tadidin’izy ireo ny tarehiny raha misy ny fikarohana.
Ra Tax.