Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Karieran’i Bemainty Ambatondrazaka – Mbola misy manao fitrandrahana antsokosoko

Anisan’ny itsiriritan’ny vahiny ny tanin’i Madagasikara ny fisian’ny harena ankibon’ny tany maro karazana. Tsapa ary hain’ny maro fa somary goragora ny fiarovana izany eo amin’ny sehatry ny fitrandrahana. Eo anatrehan’izany, na misy aza ny fisakanana sy fidinana ifotony nataon’ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany dia mbola misy ihany ireo manao fitrandrahana tsy ara-dalàna sy antsokosoko ao amin’ny Karieran’i Bemainty Ambatondrazaka. Efa nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ny mpitandro filaminana izay nitazona ireo fitaovana entin’ireo mpitrandraka mandalo amin’ny lalana mandeha any amin’ilay kariera, toy ny baraminina sy ny angady sy ny sisa. Na izany aza dia mbola misy ihany ny mahita lalam-poza ka mikiry manao fitrandrahana. Olona avy amin’ny lafivalon’ny Nosy avokoa ireo olona ireo. Misy aza ireo izay vao tonga namonjy iny toerana iny mba hitady vola amin’ny fitrandrahana vato. Tsy lazaina ny mbola eny an-dalana hizotra any an-toerana. Mbola maresaka hatrany ny tsenan’Ambatondrazaka noho ny fanangonana vatsy ataon’izy ireo ka anisan’ny niteraka fanararaotana ho an’ny mpivarotra nanondrotra tampoka ny vidim-piainana. Mbola mitana ny lohalaharana amin’izany ny vidim-bary.  Mitaraina ihany koa ireo tompontany fa maro ny voka-dratsy aterak’ity fitrandrahana ity ary tsy mba mahazo tombontsoa amin’izany akory izy ireo.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre