Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Marovoay – Vidim-bary miakatra, ny orana mihantona

Betsaka ireo tantsaha no avy dia nanararaotra mba nikarakara ny fambolena raha nisy orana nilatsaka nandrita ny andro maromaro. Misedra olana indray anefa ny any Marovoay, izay sompitry ny vary toy ny any Alaotra fa mihantona indray ny rotsak’orana. Miantso vonjy ny mponina satria ny ketsa efa nafafy noheverina hambolena dia antitra am-pitoerana noho ny tsy fampian’ny rano hanetsana eny an-tanimbary, ny ambioka na ny masomboly teo am-pelantanana voatery hohanina vokatry ny fiakaram-bidin’ny vary tato ho ato. Misendra olana amin’ny fiakaran’ny vidim-bary koa manko na ireo any am-potony aza. Manoloana izany dia mitaraina mafy  ny tantsaha any Marovoay ary miantso fanampiana amin’ny tompon’andraikitra mba hanome ambioka na masomboly hiatrehana ny voly vary amin’ity taona ity.
Tsy ny any Marovoay ihany anefa no velon-taraina fa ny vahoaka Malagasy manerana ny nosy mihitsy. Toy izany ny ao amin’ny Distrikan’Antanambao Manampotsy noho ny fiakaran’ny vidim-bary. Araka ny loharanom-baovao dia vidiana 550 ariary ka hatrany amin’ny 650 ariary ny kapoakan’ny vary gasy arakaraka ny hatsarany. 500 ariary kosa ny kapoakan’ny vary « stock tampon » izay efa misy fofona ary maro ny olona no tsy mahazaka mihinana azy io. Mijaly tanteraka ny vahoaka any an-toerana satria noho ny toetrandro izay tena maina tanteraka dia simba avokoa ny fambolena rehetra indrindra fa ny fambolem-bary ka velon-taraina tanteraka ny mponina.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre