Mahajanga – Voaroban’ny “foroche” hatramin’ny zaza avy mianatra
Raha tany Antsiranana no tena nahafantarana azy voalohany dia efa nanjary manenika ny Nosy manontolo mihitsy ireo « foroche » amin’izao fotoana izao indrindra fa ao Mahajanga. Tsy vao ela no voasambotra ny dimy tamin’ireo andian-jatovo manao herisetra sy mandroba ireo. Raha ny vaovao voaray tamin’ny polisy tany an-toerana dia eo amin’ny 16 taona eo daholo ny salan-taonan’izy ireo anefa dia tena mampihorohoro tanteraka ny mponina ao Mahajanga izy ireo. Roampolo mahery eo matetika izy ireo no miaraka manangan-tsandry eraka ny tanàna ary tsy vitan’ny mikasi-tanana izy ireo fa sady mandroba sy manendaka izay sendra azy, na amin’ny andro mazava na alina izany. Ny tanànan’i Mahavoky Avaratra sy Atsimo no lasibatra farany teo ary betsaka ny naratra sy very entana satria mitondra antsy lava lela sy mitora-bato izy ireo ary tsy matahotra mihitsy ny mandatsaka aina. Na dia nisy aza ny fahatratrarana an’ireo zatovo vao herotrerony ireo dia tsy mbola foana velively ny « foroche » ao Mahajanga. Mpianatra 8 taona vao avy nirava nianatra indray mantsy no voamban’ireo foroche tamin’ny antsy teny amin’ny manodidina ny Hôtel de ville an’i Mahajanga. Raha ny vaovao voaray dia notakian’ireo zatovo ireo finday ilay zaza. Niezaka hatrany anefa izy nanazava fa tsy manana finday izany izy. Tsy nionona tamin’izany anefa izy ireo fa mbola nitaky ny amoahan’ilay zaza ny vola any am-paosiny ihany. Mbola nilaza ihany anefa ilay mpianatra fa tsy manam-bola ka nosavain’izy ireo ny kitapony ary tena tsy nahita na inona na inona marina tao ireo olon-dratsy. Ny kapa kelin’ilay zaza noho izany no mba nalain’ireto tovolahy izay niaraka tamin’ny namany maro, mody niandry teny am-pita. Marihina fa niaraka tamin’ny zandriny ity mpianatra voaendaka ity ary tsy sahy nikofoka fa natahotra antsy. Minitra vitsy taorian’io dia olon-dehibe indray no lasibatra teo anelanelan’ny Trace Gsm sy ny Crois rouge ary lasa tamin’izany ny vola sy ny finday rehetra. Mbola andian-jatovo teo amin’ny 5 teo ihany no nanendaka an’io ranamana io. Miandrandra mafy ny polisy hatrany ireo vahoaka ao Mahajanga saingy toa lasa mifanilaka amin’ny fitsarana izy ireo. Mandeha mantsy ny resaka fa lazain’ny polisy fa avotsotry ny fitsarana ireo izay efa voasambotra.
Ra Tax.