Ny vahoaka indray no lazaina fa diso !
“Mpitari-bato vilam-bava, hafa ny tondroin’ny tanany ary hafa no tondroin’ny molony”. Afaka resahina ihany koa hoe tompon’andraikitra tsy mahalala ny marina satria hafa ny zavatra resahiny nefa hafa ny zava-misy. Mampametra-panontaniana ny maro ihany ny hoe mandainga ve ny mpitondra Fanjakana sa tena tsy mahalala ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka malagasy mihitsy. Sarotra ny hanendrikendrika fa ry zareo ihany no afaka manamarina izay tena zava-mitranga marina. Ny hita aloha dia samihafa tanteraka ary mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra ny ambaran’ny mpitondra sy ny zava-misy. Nilaza ny hampiakatra avo roa heny ny fomba fiasa mantsy ny mpitondra Fanjakana amin’ity taona ity. Nilaza ihany koa fa efa feno ny fepetra rehetra hanatanterahana ny asa fampandrosoana.
Tsy hita soritra mihitsy anefa izany rehetra izany amin’izao fotoana izao. Tsy lojika amin’ny teniny ny mpitondra raha ny fiakaran’ny vidim-piainana sy ny fikorosin’ny fiainan’ny Malagasy no jerena. Tsy misy krizy politika eto Madagasikara ary hatramin’ny taona 2014 dia tsy afaka nanao fihetsiketsehana ny mpanohitra. Izany hoe tsy sakantsakana ara-politika no mahatonga izao fahantrana lalina izao. Tsy misy idiran’ny mpanohiotra mihitsy satria tsy nanao hetsika na zavatra hafa mety hanohintohina ny asa fampandrosoana izy ireo.
Tsy lojika amin’ny heviny ny mpitondra satria tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy maneran-tany ny fahantran’i Madagasikara. Tsy misy krizy ara-toekarena mamely izao tontolo izao ka mety hisy fiantraikany aty Madagasikara. Ny zavatra hita aza dia toa maro ny firenena miroborobo hatrany amin’ny tandrefana ka hatraty Afrika sy Azia. Midika ireo rehetra ireo fa matoa miha-mahantra i Madagasikara dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana.
Manoloana izany rehetra izany dia mbola sahy mieboebo ho mahavita sy afa-po amin’ny asa nataony ny mpitondra Fanjakana. Sahy midera tena manoloana ny vahoaka malagasy sy izao tontolo izao fa tena mandroso be ity firenena noho ny asa nataon’izy ireo. Tsy menatra mamonjy ireo fihaonana isan-karazany maneran-tany sy manasa vahiny avy any ivelany ho tonga eto Madagasikara. Hadinon’ireo mpitondra fa voasokajy ary tsy afaka ao anaty lisitr’ireo firenena farahidiny maneran-tany ity Nosy mena ity. Rehefa misy ny lesoka dia ailika any amin’ireo lazaina fa mpamingana sy mpanenjika ny rihitra rehetra. Tsy manam-pahadisoana ary tsy manan-tsiny ny mpitondra fa ny hafa ihany no lazain’izy ireo ho rangory fototry ny afo manakana ny asa fampandrosoana.
Mahamenatra ny zava-misy satria lasa didin’ny be fahefana sy ny vahoaka tsy mba mamindro sisa no iainana eto Madagasikara. Hatramin’ny olona miisa 47 izay namoy ny ainy tao anaty lozam-pifamoivoizana no sahin’ny mpitondra fanjakana ambony nolatsaina sy nomen-tsiny. Hadinony fa tsy fomban’ny Malagasy izany mandatsa amim-paty izany. Mbola sahin’ny mpitondra ihany koa ny manasoketa ny vahoaka ho tompon’antoka amin’ny fahataran’ny filatsahan’ny orana. Lazaina fa ny fanaovan’ny Malagasy doro tanety no nahatonga izao haintany mamely izao. Hadinon’izy ireo fa tsy ny vahoaka malagasy iray manontolo no nandoro ny ala fa vokatry ny fitavozavozan’ny tompon’andraiki-panjakana no tsy nahafahana nisoroka izany. Raha izao no mitohy dia ho sahin’ny mpitondra ihany koa ny hiteny fa ny fahadisoan’ny vahoaka malagasy no nahatonga ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Efa sahin’ireo mpitondra mantsy ny nandatsa ny vahoaka amin’ny resaka delestazy. Ireo lehiben’ny andrim-panjakana mpanatanteraka dia efa samy niteny fa andanian’ny Fanjakana volabe isan-taona ny resaka herinaratra nefa ny 14%n’ny Malagasy fotsiny no misitraka izany. Raha nanaovana lalana io vola io dia efa nahavita kilaometatra maro be hoy ry zareo.
Ravalo tsy Manana