Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Cnaps – Asa Sosialy Telo sosona ho an’ny mpiray tanindrazana

Fambolen-kazo, fanomezana ho an’ny zokiolona sahirana ary fanomezana ireo amboara ho an’ny faritra. Ireo no asa fijoroana ho orinasa miaina anaty fiarahamonina nataon’ny Cnaps.

Zanakazo 4 000  fototra no novolen’ny mpiasa, izay  nahitana ireo mpikambana eo anivon’ny toniam-pitantanana, ny avy amin’ny masoivoho sy ny tendron’ny Cnaps avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, ny fianakaviamben’ny Cnaps na Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy tarihin’ny Tale jeneraly, Arizaka Rabekoto Raoul. Nanatontosa ny fambolen-kazo toy ny fanaony isan-taona teny an-tendrombohitra Ambonintompo Miarinarivo Itasy izy ireo. “Isika izao dia efa mizaka ny voka-dratsy nateraky ny fanaon’ny raiamandrenintsika teo aloha tamin’ny fanaovana tavy sy doro tanety tsy am-piheverena ary fanamboarana saribao” hoy Arizaka Rabekoto Raoul tale jeneraly.  “Izao fambolen-kazo ataontsika izao dia fandraisana andraikitra goavana ho fanatsarana sy fiarovana ny tontolo iainana  sy fitsinjovana ireo taranaka ao afara” hoy hatrany izy.

Adidy amin’ny tanindrazana ny fiarovana ny tontolo iainana, koa miara-misalahy ny rehetra hatramin’ny avy any amin’ny faritra. Nandray anjara mavitrika niaraka tamin’ny mpiasan’ny Cnaps ihany koa ireo hery velona avy ao amin’ny Faritra Itasy, notarihin’ny lehiben’ny Faritra sy ny Préfet ary ny Ben’ny tanànan’i Miarinarivo.

Rehefa vita ny fambolen-kazo ny tapany maraina dia niverina teny amin’ny Lapan’ny Faritra ny rehetra. Tahaka ny isan-taona dia  tsy nanadino ireo raiamandreny  ny toniam-pitantanan’ny Cnaps. Nivimbina fanomezana ho an’ireo zokiolona miisa 60 isaka ny fokontany avy amin’ireo fokontany dimy ato anatin’ny Kaominina Miarinarivo. Nanolotra fanampiana toy ny menaka, savony ary “lampe de poche” ho an’ireo raiamandreny nahitana masoandro.

Nangonin’i S.A. 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre