Lalana Bibilava – Vehivavy marary saina naolan’andian-dehilahy
Tranga mampalahelo no sady mahamenatra olona indray no nitranga teny amin’iny lalan’i Bibilava iny ny alarobia alina lasa teo. Vehivavy voalaza fa marary saina no voaolana faobe rehefa nandehandeha andro maizina teny amin’iny toerana izay malaza fa faritra mena iny. Raha ny vaovao voaray dia vehivavy teo amin’ny 30 taona mahery teo ho eo izy io ary efa nivezivezy teny amin’ny manodidina teny ihany izy ny antoandro. Hitan’ny fokonolona anefa fa ohatra ny tsy mahazatra ny fihetsik’io ramatoa io satria toa mivezivezy manao mandeha miverina foana izy nandritra ny ora maro anefa tsy fantatra mazava ny tena ataony na ny zavatra tadiaviny. Nisy mihitsy aza moa no nanontany azy ny zavatra nilainy saingy tsy nahazo valin-teny mazava izy ireo ka niala maina. « Efa ora maro io vehivavy io no hitako nivezivezy teo, toa mankany Ambolonkandrina izany izy anefa tampotampoka eo dia hitako miverina indray. Izy anefa tsy dia maloto be na mirovirovy manao ahoana fa toy ireny olona rehetra ireny ihany. Misy fotoana fotsiny izy somary mihomehy amin’ny tsy antony izany, ka teo no nahalalana fa tsy dia salama saina io vehivavy io », hoy ny mpivarotra iray teny an-toerana. Araka izany dia mety efa narahan’ireo nahavita nanolana azy akaiky io vehivavy io ka efa nandrasan’izy ireo kendry tohana. Tsy niandry ela tokoa ireto olon-dratsy fa vao nitontona ny tamin’ny 7 ora sy sasany hariva dia naolan’izy ireo ity ramatoa izay noentin’izy ireo nisitrika tamin’ny toerana tsy hitan’ny olona. Ny toerana rahateo maizina no sady tsy dia misy olona mandeha ka mora tamin’ireo olon-dratsy ny nanao ny asa ratsiny. Tamin’ny 8 ora mahery tany ho any vao nisy olona nitondra môtô nahita azy nitsirara teo amin’ny bozaka ka nanavotra azy. Tsy maty akory izy na torana fa natory teo satria reraka no sady naratra. Efa tsy niakanjo ambony intsony izy ary nahitana dian-drangotra ny tarehiny. Rehefa nanontaniana izy dia namaly fa nisy olona maro nanararoatra azy. Niantsoan’io olona io taxi avy hatrany ilay ramatoa io ary efa notsaboina tany amin’ny hopitaly.
Ra Tax.