Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Loza tany Anjozorobe – 14 mianadahy iantohan’ny MEN

Nanapa-kevitra ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa handray an-tanana ireo zaza kamboty miisa 14 miadahy vokatry ny lozam-piarakodia izay nitranga ny 28 janoary lasa teo tany Anjozorobe. Mba ho fanampiana azy ireo dia horaisin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena an-tanana hatramin’ny kilasy famaranana ny fianaran’izy ireo. Nankahery azy ireo ny ministran’ny Fanabeazam-pirenena ny herinandro lasa teo nandritra ny tafatafana nifanaovana.

Raha ny vaovao farany aloha hatreto dia efa nivoaka ny hopitaly Hjra avokoa ireo naratra ka efa miparitaka any amin’ny fianakaviany tsirairay izay monina eto Antananarivo. Roa eo kosa sisa no mbola mijanona manohy ny fitsaboana eny amin’ny hopitaly satria tsy maintsy mbola miandry fandidiana hanohizana ny taolana amin’ny vy. Marihina fa misy amin’ireo ankizy ireo no hany tokana sisa velona fa nindaosin’ny fahafatesana avokoa ny ray aman-dreniny sy ny iraitampo aminy ka dia faly sahirana ihany ireto zaza manoloana ny fanampiana hoentin’ny ministera hoazy ireo. Satria afaka hanohy fianarana na tsy eo intsony aza ireo nianteherana. Saingy malahelo ihany koa naheno ny latsa izay nataon’ny filoham-pirenena azy ireo. Ity farany izay nilaza fa hadisoan’izy ireo no nahatonga ny loza nihatra tamin’izy ireo.  Mety ho marina tokoa nefa mety tsy ho hadisoan’izy ireo ihany koa satria raha ampy ny enti-manana mba nanofa fiara manokana fa tsy nandeha kamio fitaterana omby. Araka ny fitantaran’ny iray tamin’ireo niharamboina moa dia mbola tsy mamo ity mpamily nitondra azy ireo tamin’ny fiaingana tany amin’ny toerana nialan’izy ireo fa rehefa nijanona teo amin’ny ora iray teo ho eo teo amin’ny tanàna iray, noho ny lalana malama dia teo ny mpamily no namely nisotro toaka gasy. Tsy andraikitr’izy ireo mihitsy ny manara-maso ny ataon’ny mpamily mandritra ny ora iray ijanona ka nahitany izay nisotroany toaka tany. Raha ny fantatra ihany koa moa dia efa mihidy eny Antanimora ilay mpamily.

 

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre