Tovolahy roa mpanendaka – Niharan’ny fitsaram-bahoaka avy eo nadoboka eny Antanimora
Mirona any amin’ny fanendahana avokoa amin’izao ny ankamaroan’ireo tanora tsy an’asa. Mafy tokoa ny fiainana anefa tsy asian’ny fitondrana teny mihitsy ny momba azy ireny hany ka lasa manaotao foana ny tanora malagasy ka simba tsy fidiny ny hoaviny. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia tovolahy mbola tanora miisa 2 no nanendaka lehilahy teny amin’ny Boulevard de l’Europe, lalana mizotra mankany Ankorondrano. Lehilahy avy niasa hamonjy fodiana izy io no nosakanan’izy roa lahy ireto. Voambana antsy avy hatrany ilay lasibatra ka tsy afa-nihetsika, ireo mpanendaka koa sady nandrahona ny hamoahana ny vola sy ny entana sarobidy rehetra tany amin’ilay lehilahy. Noho ny tahotra ny haratra na ny ho faty dia voatery namoaka izay nananany ilay rangahy ary lasan’izy ireo tamin’izany ny fitoeram-bola na « porte-feuille » sy ny finday raitra teny aminy. Rehefa azo izay nilainy dia nitsoaka izy ireo izay mbola nanaraka arabe ihany. Potak’izay no niantsoan’ilay rangahy lasibatra vonjy ka avy hatrany dia raikitra ny fifanenjehana. Tratra soa aman-tsara ireo mpanendaka ireo ary niharan’ny fitsaram-bahoaka. Rehefa voadaroka elaela izy ireo vao tonga ny polisy. Nadoboka eny Antanimora vonjimaika noho izany izy ireo afak’omaly.
Ra Tax.

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny