Mora atsahatra ny fitsaram-bahoaka
Olana iray goavana mbola tsy ahitam-panafany ny firongatry ny fitsaram-bahoaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Toa lasa fahazaran-dratsy sy ifaninanan’ny vahoaka aza izy io. Marina sy tsy iadian-kevitra anefa ny antso sy fanentanana ataon’ny tompon’andraikitry ny filaminana sy ny fitsarana fa heloka ary tena mahavoasazy ny famonoana olona na inona na inona antony. Toa tsy misy mpihaino anefa izany ary vao mainka aza manao fanahy iniana miroso amin’ny famonoana ho faty ireo heveriny ho nanao ratsy ny mponina isam-paritra. Toa odian’izy ireo tsy fantatra fa misy lalàna mifehy eto Madagasikara ary tsy manan-jo na fahefana hikasi-tanana velively na iza na iza ny sivily.
Tena sahiran-tsaina ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny amin’ny fikarohana ny fomba hanatsaharana sy hamongorana io fahazaran-dratsy amin’ny fitsaram-bahoaka io. Rehefa tena dinihina am-pitoniana anefa dia tsotra ny fanafodiny. Mila ametrahana fandriam-pahalemana mahomby sy maharitra eto Madagasikara dia tsy hisy intsony ny fitsaram-bahoaka. Tsy misy Malagasy hitsiriritra ny hamono olona izany eto. Tsy misy Malagasy maniry ny handoto ny taniny amin’ny fandatsahan-dra sy ny ain’ireo nahavanon-doza eto saingy ny zava-misy kosa dia toa misarika ny olona hanaonao foana.
Ambony loatra mantsy ny tahan’ny tsy fandriam-pahalemana misy eto amin’ity firenena ity. Hatramin’ny fitondrana tetezamita ary tsy nahitan’ny mpitondra ankehitriny vahaolana fa vao mainka aza nirongatra ny herisera sy fanafihana ary vono olona atao amin’ny vahoaka tsy manan-tsiny. Raha nisaina dia inoana fa efa an-jatony ny olon-tsotra maty noho ny fanafihan-jiolahy, ny herisetra, ny adiady sy lonilony ary ny endrikendrika hatramin’ny nijoroan’ny fitondrana ara-dalàna voalohany amin’izao Repoblika fahefatra izao.
Raha nisaina ihany koa anefa dia maro tamin’ireny tranga nisian’ny vono olona sy heloka bevava ireny no toa vitavita mora amin’izao. Ohatra iray fotsiny izao ilay asa fampihorohoroana teny Mahamasina ny 26 jona 2016 lasa iny. Hatramin’izao dia tsy hita popoka sy tsy fantatra mazava izay tena tompon’antoka tamin’iny tranga nahafatesana olona roa iny. Maro ny tranga toy izany ary ny tsy fahampian’ny vokatra nahasamborana sy nanasaziana faran’izay henjana ireo tompon’antoka dia miteraka alahelo sy hatezerana ary valifaty any am-pon’ny vahoaka.
Ny tena loza dia toa vao mainka mamporisika ny hafa hanaonao foana ny fahafantarana fa maro amin’ireo mpanao ratsy no afa-bela satria tsy voasambotra ary miriaria an-kalalahana any amin’ny misy azy any. Tsy mahagaga raha mirongatra ny vono olona, sy ny fanolanana ary ny herisetra amin’ny endriny maro samihafa. Betsaka ihany sy nandrenesana fanolanana zaza tsy ampy taona izay fa saingy vitsy an’isa ireo mpanolana no nidoboka eny am-ponja satria maro amin’izy ireny no tsy nentina teny anatrehan’ny fitsarana akory.
Izany antony rehetra izany no namefy tsikelikely tao an-tsain’ny Malagasy ny toetra mirona amin’ny valifaty. Miseho amin’ny endriky ny fitsaram-bahoaka io valifaty io ka izay olona heverina ho nanao ratsy teo anivon’ny fiarahamonina no iharan’ny famonoana ho faty ataon’ny vahoaka. Maro mihitsy eny an-tanàna sy eny an-dalana rehetra eny no miandry fotsiny hisian’ny mpangalatra, na mpamono olona, na mpanolana ho tratra mba hanalana ny hatezerana amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka.
Zava-doza ho an’ny firenena anefa rehefa ny vahoaka no tsy azo fehezina intsony fa manao fanahy iniana amin’ny fanitsakitsahana ny lalàna manan-kery. Karazan’ny efa endriky ny fikomiana ihany io fitsaram-bahoaka io ary hafatra mampiseho ny fahadisoam-panantenana ary endriky ny fihantsian’ny vahoaka ny mpitondra Fanjakana. Rehefa mitaraina sy miantso mantsy tsy misy mpihaino ny vahoaka dia mamoaka ny alahelony sy ny hatezerany amin’ny alalan’ny fandikan-dalana faobe mba hanairana ny mpitondra handray andraikitra.
Rehefa tena jerena izany dia tsotra ny vahaolana entina hanatsaharana io fitsaram-bahoaka io. Tsy inona izany fa ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Rehefa tsy misy mpamono olona sy mpangalatra ary mpanolana eto dia tsy misy olon-dratsy hatao fitsaram-bahoaka intsony. Azo atao tsara ny mamerina ny fandriam-pahalemana raha toa manana paikady mazava entina hampandroso ny firenena sy hanatsarana ny fifandraisany amin’ny vahoaka ny mpitndra.
Ravalo tsy Manana