Koweit – Vehivavy malagasy adala tsy misy mandray an-tànana
Taona maromaro lasa izay dia nandrara ireo olona mivelona amin’ny fanondranana ny mpiray tanidrazana any ivelany mba hiasa ny tompon’andraiki-panjakana. Betsaka ireo nahita takaitra sy namoy aina tamin’izany noho ny hetraketrak’ireo mpampiasa. Omaly dia nandefa filazana tao amin’ny tambajotra sosialy facebook ny ramatoa iray mitondra ny anarana hoe : Soa Arline, milaza fa mikarakara vehivavy Malagasy iray marary saina tonga any Koweit izy . “Ilazana isika izay mahafantatra ny fiankavian’ity vehivavy ity fa tena sahirana izaho mikarakara azy sady ny agence nanafatra azy tsy nandray andraikitra mihitsy ka tsy haiko izay tokony hatao azy, ka mangataka sosonkevitra avy aminareo aho”, hoy ilay ramatoa. Voalaza fa Rasoamalala Marie Francice no anarany anaty soram-piankohonana ary Francette kosa no fiantsoana azy andavanandro. Avy any Andapa Amboadiangezoko izy ary Rasoazanaka Antoannette no anaran’ny reniny. Hatreto dia tsy fantatra hoe taiza no nahitan’io ramatoa io azy ary tsy mbola fantatra ihany koa hoe iza ilay fianakaviana nanafatra azy mba hiasany. Ny azo lazaina aloha dia mikarakara azy fotsiny no ataon’io ramatoa malagasy izay any Kuwait io koa fa tsy afaka ny handefa azy mody mihitsy. Mijaly toa izao foana ny vehivavy Malagasy ary tsy fantatra na niharan’ny herisetra tany izy dia nitsoaka no nahatonga azy very saina tahaka izao. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana io ramatoa nahita azy io mba handray andraikitra amin’ny fampodiana azy aty an-tanindrazana.
Ra Tax.