Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Fi.be.a.a – Nanatanteraka fiarahabana nahatratra ny taona

Omaly no nanatanteraka fiarahabana nahatratra ny taona ireo mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Betsileo Ampandrana Antananarivo na ny Fi.be.a.a, izay avy any amin’ny distrika Fandriana. Tao amin’ny Epp, Vohibolo no natanterahan’izy ireo izany fotoan-dehibe izany. Araka ny fanazavan’ny filoha dia tsy mitsahatra mitombo ny mpikambana ao aminy. Mahatratra 273 izy ireo ankehitriny ary mavitrika dia mavitrika tokoa amin’ny fanaovana ny adidy. Ny tena tanjona moa dia ny fitsinjovana sy ny fiahiana ireo betsileo avy any amin’ity distrika ity izay mila ravinahitra eto Antananarivo. Ohatra amin’izany, mifamangy rehefa misy marary, miditra hopitaly na ao an-trano mihoatra ny fito andro. Mifanotrona rehefa misy fahoriana ary mifanome tanana amin’ny fikarakarana ny razana. Hamarana ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany ny fikambanana ny 30 mey ho avy izao ary omby miisa 2 no hovonoina hoenti-manamarika izany.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre