Sambava – Mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana
Ahenoana vaovao mikasika izany foana tato ho ato ao Sambava sy iny faritra avaratra iny. Vao tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo dia tokantrano roa no lasibatry ny fanafihan-jiolahy ka ny iray dia tao amin’ny fokontany Andranomatsiko ny sabotsy tokony ho tany amin’ny 1ora maraina tany ho any ary ny iray kosa mbola tao Sambava ihany, tao amin’ny fokontany iray antsoina hoe Besapoana io alina io ihany koa dia tokantrano iray hafa no vaky ka lasan’ireo olon-dratsy ny vola 6 tapitra ariary. Tsy nisy naheno na iray aza ireo tompon-trano fa sondrian-tory avokoa. Mirongatra dia mirongatra ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato any amin’ny faritra Sava. Raha ny fieritreretan’ny mpandinika azy dia noho ny fiakaran’ny lavanila no mahatonga izany. ity farany izay mahatratra 1 tapitrisa hatramin’ny 1,2 tapitrisa Ariary ny iray kilao amin’izao fotoana izao. Ankoatra ny vaky trano moa dia mirongatra ary tsy mandry andro tsy mandry alina mihitsy ny mponina any an-toerana amin’ny fiambenana noho ny halatra lavanila manta sy tsy mbola matoy. Efa nisy ny maty tratran’ny fitsaram-bahoaka fa mbola tsy mampihemotra ireo mpangalatra izany hanao ny asa ratsiny. Efa ho isan’andro no andrenesana ity tranga na halatra lavanila ity any an-toerana. Tohin’ny famakian-trano moa dia efa manao ny asany ny mpitandro filaminana saingy hatramin’ny omaly, araka ny loharanom-baovao, dia tsy mbola misy olona voasambotra.
S.A