Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Vehivavy nitsoaka tao an-tranony – Hay manao makorelina eny Tsaralalàna

Mafy ny fiainana anefa mbola sahin’ny fitondram-panjakana amin’izao ihany ny milaza fa tsy mahantra ny Malagasy. Trangam-piarahamonin­a maromaro izay tena mampalahelo no miseho eto Antananarivo isan’andro anefa dia odian’ireo mpitondra tsy hita izany, indrindra fa ny minisitra misahana ny fiainam-bahoaka izay minia mianakipy maso tanteraka. Anisan’izany tranga izany ity niseho tsy vao ela akory ity. Nifampikarohan’ny fianakaviana ny tovovavy iray izay voalaza fa tsy hita popoka amam-bolana maro. Mipetraka ao Anatihazo Isotry io vehivavy vao 18 taona monja io ary araka ny vaovao voaray dia ny volana novambra 2016 teo izy no nitsoaka tao an-tranony. Niezaka nikaroka azy ny fianakaviana sy ny manodidina azy saingy tsy nahitam-bokatra izany. Tsy nisy fifamaliana tao an-tokatrano ary mifankahazo aminy avokoa ny iray trano sy ny iray tanàna. Nampametram-panontan­iana noho izany ny antony nahatonga azy nilefa. Efa nampandre ny mpitandro filaminana mihitsy ny fianakaviana ary efa napetaka ireny peta-drindrina ombay mitady ireny fa tsy hita. Akory anefa ny hagagan’ny zokin’ity vehivavy raha nahita azy nijorojoro teny amin’iny Tsaralalàna iny ny faran’ny herinandro teo. Sendra nandalo avy niasa io zokiny io no nahita azy sady nanao fitady mihanjaka no sady nifoaka sigara be. Nanantona avy hatrany teo amin-jandriny io lehilahy io ary ranomaso sisa tsy latsaka fa nanjary lasa mpivaro-tena ny zandriny vavy. Rehefa nanontaniana kosa ity farany dia nilaza fa leo mipetraka ao an-tranony sy miaina amin’ny fahantrana ka aleony manao an’izao. Tsy nety niala teo izy ary tsy nety nandeha nody raha notarihin’ny zokiny. Ity farany dia niala maina no sady nalahelo satria simba tanteraka ny fiainan-jandriny. Marihina fa efa nisy niteny tamin’ny fianakaviana ihany ny ataony saingy tsy nisy nino ny tao an-trano.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre