Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Mitady fanampiana – Zaza voan’ny homamiadana mila rà 8 paosy

Raha mbola malagasy dia ny fifanampiana sy ny fitiavana indrindra fa amin’ireo mpiray tanindrazana no zava-dehibe. Mampanontany tena noho izany ny momba ireo mpitondra antsika ankehitriny sa kosa minia mikipy fotsiny manoloana ny olana goavana sedrain’ny mpiray tanindrazana aminy. Maro mantsy ireo olona mila fanampiana amin’izy ireo izay tsy hitany na fantatr’izy ireo akory. Anisan’ny Malagasy mitady fanampiana maika izao ity zazavavy iray izay tratran’ny homamiadana izay tsy mitsaha-mitombo ity. Mivonto ary tena ngeza tokoa ny tanany roa sy ny eo amin’ny faritry ny nonony. Mahakivy ny mijery azy ary efa amam-bolana maro izy no marary. Vola tsy toko tsy forohana no efa lanin’ny ray aman-dreniny nefa tsy mbola nahitana fiovana na kely aza. Ankehitriny dia mila rà 8 paosy io marary io raha toa ka efa nampiasa 2 paosy teo aloha. Efa tsy mahinan-kanina ary miha reraka andro aman’alina izy. Mangataka fanampiana noho izany ny fianakaviana na rà izany na vola na fitaovana na koa hiantso ny laharana finday 0332900146 na 0343688939. Rehefa tsy ho avotra ihany ve ny vahoaka Malagasy ry mpitondra tsy aleo izay tena mila vonjy no ampiana ?

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre