Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Analakely – Vehivavy tsy nanao « casque » nanohitra polisy

Efa tsy ao an-tsaina intsony ve ny fanajana lalàna fa dia ny hanohitra hatrany no fantratry ny sasany? Mpitandro filaminana mandamina ny fifamoivoizana teo Analakely manakaiky ny boriboritany voalohany no notoherin’ny vehivavy sy lehilahy nitondra môtô omaly. Tsy nanao aroloha ny iray tamin’izy ireo no antony nanakanan’ny polisy azy. Araka ny fanazavan’ny iray tamin’ireo nanatri-maso ny tranga dia namaly ilay tovovavy fa ao anaty môtô ny casque-ny fa mafana izy dia tsy nanaovany. Nangatahana koa ny taratasy dia namely izy ireo. Rehefa nosakanana izy ireo tsy avy hatrany dia nijanona fa nanohitra ny handeha ihany ka saika naratra tamin’izany ny iray tamin’ireo mpitandro filaminana. Manao ny asany ara-dalàna ireto farany ary tena mitondra ny fanamiana mampiavaka sy ahalalana azy ireo. Nahavariana ihany ny fihetsik’izy ireo satria tsy mamo na marary saina fa dia salama tsara. Tsy nisy akory anefa fanajana fa avy dia namely sy nanohitra fotsiny izao. Nitangorona ny olona ary nandray fepetra avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra nitondra ireo tanora nankany amin’ny biraon’ny polisy any Tsaralalàna. Ny lalàna dia napetraka ho an’ny rehetra mba handaminana sy handrindrana ny fiarahamonina. Napetraka ny mpitandro filaminana hanara-maso ny fampiharana izany, indrindra mba hanitsiana ireo mpandika lalàna toa azy roa ireo. Noho izany rehefa tsy te ho voasazy dia mila manaja sy mitandro izay fitsipika ifampifehezana. Fihetsika kely tsy voahevitra fotsiny izao no mahavoasazy.

Tahirisoa

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre