Andramasina – Ramatoa iray notifirin’ny jiolahy fito
Fito lahy tonga nampihorohoro ny tanàna no nandratra renim-pianakaviana iray tao amin’ny Distrikan’ Andramasina ny Alahady teo. Notifirin’izy ireo teo amin’ny takibany ity ramatoa ity ka naratra mafy ary mbola norobain’ireo olon-dratsy ihany koa ny volany iray tapitrisa ariary. Araka ny loharanom-baovao dia ity ramatoa ity irery no tao an-trano ankoatran’ny vady aman-janany ka efa tsikaritr’ireo jiolahy izany ka nohararaotin’izy ireo. Marihina fa efa tsy mitsahatra mahazo vahana ny tsy fandriam-pahalemana ao Andramasina satria nisy fotoana efa tany am-piangonana no niafina ny zaza amam-behivavy, ny lehilahy kosa manao andrimasom-pokonolona. Izay no vokatry ny asan-jiolahy sy ny fampihorohoroana ataon’ny jiolahy. Mitety tanàna ireo olon-dratsy ary dia mampihorohoro tanteraka ny mponina ao an-tanàna. Anisan’ny tratran’izay fandrahonana izay ny tao Ambatofotsy Vatolahy, hany ka raiki-tahotra ny mponina dia mitsoaka mitady toerana hiafenana. Mandry andriran’antsy ny mponina ka manao antso avo amin’ny mpitandro filaminanana.
S.A

Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40
Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana
Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky. Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny