Fangalarana finday – Novakian’ilay tonta kely ny fitaratr’ilay fiara
Tsy milamina ny fandriam-pahalemana eto an-drenivohitra. Mpanendaka, mpamono olona, mpisinto-mahery no mameno ny tanàna ary amin’ny fotoana rehetra mihitsy no manao ny ataony ry zalahy. Malaza amin’ny sinto-mahery sy fanendahana iny faritra Anosibe ary hatramin’izao dia mbola maro ireo olon-dratsy manatanteraka ny asa ratsiny eny. Omaly tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro dia fiara iray tratran’ny fitohanana no novakian’ny tonta kely ny fitaratra. Raha ny vaovao voaray dia nilalao finday ilay rangahy nitondra ilay fiara ary tsy nampoiziny akory fa tao anatin’ny segondra vitsy dia nisy namaky ny fitarany ary lasany ny finday roa, ny iray nipetrak teo aorian’ny familiana ary ny iray teny an-tanany. Tsy nahateny ilay rangahy ary ilay mpanendaka kosa dia lasa avy hatrany nitsoaka namonjy elakelan-trano. Ny manodidina dia nitangorona teo amin’ilay fiara lasibatra fa tsy nisy kosa ny nanenjika azy na ny iray aza. Raha ny fanazavan’ny mpandray saran-dalana iray dia efa fantatry ny manodidina ireo olon-dratsy manendaka sy mpanao sinto-mahery eo an-toerana saingy tsy misy mahasahy miteny izy ireo noho ny tahotra valy faty.
Ra Tax.