Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Kitra Can 2017 – Aiza ho aiza i Madagasikara ?

Araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao dia mbola nofy raha ho an’i Madagasikara ny handray anjara amin’ny tompondakan’i Afrika ny baolina kitra raha ny fizotran’ny lalao rehetra nandeha teto no jerena. Efa avo dia avo tokoa ny lentan’ny baolina kitra aty amin’ny kaontinanta afrikanina raha miohatra amin’ny eto Madagasikara. Ny firenena nandray anjara rehetra teto dia mpanazatra vahiny avokoa no nitondra azy ireo. Izay rehetra nanaovana fanadihadiana  dia 50 tapitrisa ariary isam-bolana ny karaman’ny mpanazatra vahiny farany kely amin’izy ireo. Rahoviana àry ny fanjakana  eto Madagasikara vao hiantoka izany? Mbola nofy izany. Raha ampian’ny vintana dia mety mba handray anjara amin’ny Can ihany Madagasikara afaka taona vitsivitsy. Nefa raha tonga any kosa dia mety hataon’ny hafa fakana isa fotsiny. Ao anatin’ny ekipa iray dia mpila ravinahitra avokoa ny mpilalao 22. Ny an’i Madagasikara anefa rehefa raikitra ny lalao iraisam-pirenena dia 7 raha betsaka indrindra no mpilalao avy any ivelany mandrafitra ny ekipam-pirenena.

Aiza ho aiza anefa ireo firenena izay efa nifanandrina tamin’i Madagasikara rehetra ireny, raha tsy hiresaka afa tsy i Kamerona sy Ejipta isika. Ny Faraonan’i Ejipta, ohatra, farafaha keliny dia efa in-telo nanao tamin’i Madagasikara raha tsiahivina ny tamin’ny taona 1979, 1985 izay resin’i Ejipta (1-0) tamin’ny lalao mandroso ary dia nanao lalao sahala (0-1) tamin’ny lalao miverina ka niondrika tamin’ny fandakana penality ny malagasy (3-2). Tamin’ny taona 2002 koa dia efa naharesy an’i Ejipta i Madagasikara (0-1). Toa izany koa i Kamerona izay naharesy an’i Madagasikara (5-1) tamin’ny andron’i Roger Milla tany aminy ary dia resin’ny Malagasy tamin’ny isa 2-1 izy tao Mahamasina tamin’ny lalao miverina. Izany no nifampitana tamin’ny Malagasy tamin’izany kanefa efa samy nahazo ny amboaran’i Afrika in-telo kosa ireo firenena ireo taorian’izany rehetra izany. I Madagasikara kosa anefa mba aiza, na lalao iray aza mbola tsy natao tany amin’ny Can. Dikany, na iza mpitondra ny federasionina na iza mpilalao rehefa tsy mandray andraikitra ny Fanjakana amin’ny fanohanana dia nofy izany hahita ny mpilalao Malagasy handray anjara amin’ny can izany.

Safidy Andrianina

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre