Vakinankaratra – Tsy mahazo manatona ny biraon’ny Cisco sy Dren ireo mpampianatra
Raha ny volana desambra lasa teo no nizara solom-bodiakoho ho an’ny mpampianatra be taona teto amin’ny Dren Analamanga ny Groupe Anefa, ny sabotsy lasa teo kosa no niaraka nilanonana ary nitafa sy nihaino ny fitarainan’ireo mpampianatra avy amin’ny Dren Vakinakaratra izy ireo. Ny anton’ity fotoan-dehibe ity moa dia ny fahitana fa mafy ny asan’ny mpampianatra ary misedra olana maro izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny asany. Raha mba mitaraina anefa tsy misy mihaino. Tonga maro nanatrika ity lanonana lehibe ity ireo mpampianatra miisa 450 mpikambana avy amin’ny Dren Vakinakaratra. Nifampizara hafaliana sy nifampizara nofon-kena mitam-pihavanana. Nandritra ny fotona moa dia nihaino ny fitarainan’ireo mpampianatra avy any an-toerana ny birao nasionaliny izay tarihin’ny Lova Randrianasolo. Mitaraina ireo mpampianatra satria toa tsy misy valiny ny fitarainana sy ny fangatahan’izy ireo satria dia tsy afaka manantona mivantana ny biraon’ny Dren sy ny Ciscio izy ireo fa tsy maintsy ao amin’ny chef Zap irery ihany ary ity farany no mitondra izany any ami’ny Cisco sy ny Dren any an-toerana. Noho izany, tsy tonga any amin’ny tena tompon-andraikitra akory ny fitarainana izay ataon’izy ireo, nandray fepetra noho izany ny groupe anefa ka noraisina an-tsoratra sy narahina sonia ny fitarainan’ireo mpampianatra marobe ao ami’ny Dren Vakinakaratra ka entina aty amin’ny ministera sy ny tompon-andraikitra isan-tsokajiny ny olana sy ny fitarainana.
Tanjon’ny Groupe Anefa hatrany moa ny hamerina ny hasin’ny mpampianatra eto Madagasikara. Mbola hitohy ny hetsika tahaka izao ary amin’ny endriny hafa indray no hanaovana azy any amin’ny faritra raha nambaran’ny Fiolha nasionaly ny groupe anefa Lova Randrianasolo
S.M