Mandositra hatramin’ny andro ratsy
Fa loza inona marina no misy eto Madagasikara eto e ? Hatramin’ny andro ratsy sy ny rivo-doza no mivily lalana tsy sahy manatona an’ity Nosy maitso fahiny nivadika mena ankehitriny ity ! Tsy mbola fahita hatramin’izay mihitsy izany hoe volana febroary mbola karazan’ny main-tany izany ny eto an-drenivohitra. Ny vanim-potoana toy izao mantsy dia efa tondraka tanteraka ny rano ary maro ny traboina sy ny olona voatery nafindra fonenana. Manana ny fanazavany ny mpitondra Fanjakana sy ny teknisianina izay milaza fa ny fanapahana ny ala sy ny doro tanety no mahatonga ny orana tsy ho avy. Tena izay tokoa ve ? Mety ho marina amin’ny ampahany saingy heverina fa tsy izay ihany no antony mahatonga ny tsy fisian’ny orana. Raha ny fanazavan’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro mantsy dia ny rivotra mitondra rahona sy orana mihitsy no tsy mitsoka mankaty Madagasikara sy ny afovoan-tany. Izany hoe miandry izay sitrapon’ny rivotra fotsiny sisa fa tsy misy azo atao.
Santionany iray manampy trotraka ny fahoriana sy fahasahiranan’ny vahoaka ity tsy fahampian’ny rotsak’orana ity. Na mbola ho avy hamonto ny tany aza mantsy io orana io dia karazan’ny efa tara loatra raha ho an’ny famokarana. Efa namoaka ny antontan’isa rahateo ny manam-pahaizana eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena fa very hatramin’ny 80% ny voka-bary antenaina hiakatra amin’ity taom-pambolena ity. Tara be ny orana ka maina ny tany ary tsy nitombo sy namoa araka ny tokony ho izy ny salohimbary novolena. Tsy ny vary ihany fa na ny voly avotra sy ny legioma isan-karazany ary ny voankazo ihany koa dia lasibatr’io fahatarana sy tsy fahampian’ny rotsak’orana io. Izany antony izany no mampidangana be ny vidin’ny anana sy voatabia eny an-tsena amin’izao fotoana izao.
Mbola vato misakana iray ho an’ny fampandrosoana ary azo lazaina ho katsentsitra mikiky ny fiainam-bahoaka ihany koa ny fahamaroan’ny mpijirika izay tsy mahay afa-tsy ny asa ratsy entina hanararaotana ny fahasahiranana efa misy eto amin’ny firenena. Ny sasany amin’ireo mpanangom-bokatra no tena voakasik’ito resaka ito. Sahin’izy ireo ny mampiasa volabe ary manangona ny tahirim-bary mbola any an-tsopitry ny tantsaha amin’izao fotoana izao. Afenina ireny tahirim-bary voangona ireny ary avoaka tsikelikely sy amidy lafo be. Iaraha-mahita rahateo fa fototr’aina sy foto-tsakafo ny vary amin’ny Malagasy ary maro amin’ny vahoaka no tsy mahatelina raha vao tsy vary gasy na makalioka. Fantatry nympijirika io toe-javatra io ka araraotin’izy ireo hanangonan-karena haingana.
Milaza handray fepetra hifehezana ny fiakaran’ny vidim-piainana ny Fanjakana nefa hita fa efa sarotra sy lasa lavitra ny toe-draharaha nefa sarotra ny hamerina izany amin’ny laoniny. Na io vidin-tsolika nolazaina fa napidinina io aza dia tsy niverina amin’ny laoniny zakan’ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Raha tokony ho izay dia afaka nampidinina noho izao ny vidin-tsolika. Tsy hay izay tena fahamarinany fa misy amin’ireo mpivarotra solika no milaza fa hetra avokoa ny 40%-n’ny vidin’ny lasantsy sy gazoala ary solitany. Tsy hita mazava anefa hoe mankaiza sy mankaiza, ary nahavitana inona ho an’ny vahoaka sy ny firenena io hetra be alaina amin’ny solika io. Koa raha tsy hitondra vokatra mazava ihany maninona raha fohanana any ny hetra amin’ny solika dia mihena ho azy ny vidiny ho an’ny mpanjifa ? Sarotra ny hino fa hanao izany ny Fanjakana izay manana ny fanazavany ara-tekinika ihany koa. Tsy fanazavana anefa no ilain’ny vahoaka fa asa mitondra vokatra mazava amin’ny fanatsarana ny fiainana.
Ravalo tsy Manana