Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Mpanampy an-trano – Nitsoaka niaraka tamin’ny lehilahy

Fasahiranana indray matetika no azo amin’ireny mpiasa an-trano ireny raha toa ka hanamaivamaivana ny olana andavanandro no ilaivana azy ireny. Na lehilahy na vehivavy dia matetika manaotao foana indrindra rehefa izy irery no avela ao an-trano. Tany Andoharanofotsy izao dia nitsoaka tao amin’ny mpampiasa azy ilay mpiasa vavy manao kilasimandry. Raha ny vaovao voaray dia tsy hita efa ho herinandro izy io ary tsy fantatra na nankaiza na nankaiza. Efa nampandrenesina hatramin’ny polisy sy ny olona teo an-tànana saingy tsy nahitam-bokatra. Efa nojerena hatrany amin’ny “morgue” mihitsy aza. Ny fianakavian-drazazavavy amin’io efa tonga nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana fa hoe tsy manara-maso ny zanany nalefa niasa ireo mpampiasa. Akory anefa ny hagagana fa tapa-bolana aty aoriana dia tonga toy ny tsy nisy na inona na inona tao an-trano izy ary nilaza fa haka entana fa tsy hiasa ao intsony. Tsy nahateny ny fianakaviana roa tonta fa dia nijery fotsiny no azo natao. Ny tsy hainy anefa dia efa nampivadi-po ny rehetra izy tao anatin’ny fotoana izay tsy nahateo azy. Nentin’ny ray aman-dreniny nody kosa izy avy eo ary ilay lehilahy nitazona azy dia nametrahana fitarainana ihany koa.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre