Jiolahy tratra tao Ambatolampy – Notakiana hatao fitsaram-bahoaka, raikitra ny rotaka
Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao Ambatolampy hany ka maimbo rà ny vahoaka. Ny alarobia lasa teo dia nahare feo ny fokonolona fa nahavoasambotra jiolahy rain-dahiny miisa 5 ny polisy ka nidina ao amin’ny kaomisarian’ny polisy ao an-toerana. Romotra tamin’izany ny vahoaka ka nitaky tamin’ireo polisy ny mba hamoahana an’ireo olon-dratsy ireo honaovana fitsaram-bahoaka. Tsy nanaiky an’izany anefa ireo mpitandro filaminana ka tezitra tamin’izy ireo ny vahoaka ary teo no raikitra ny rotaka. Tora-bato nisesisesy no nahazo ny biraon’ny polisy ary maro ny entana simba tamin’izany anisan’izany ny fitaratra vaky sy ny sisa. Manoloana izany kosa ireto polisy dia tsy nanaiky lembenana ka avy hatrany dia nanao tifi-danitra nanaparitaka ny vahoaka. Raikitra ihany koa ny fisamborana ka olona miisa 5 no voasambotra nandritra ny sakoroka. Rehefa somary nilamindamina ny teo an-toerana dia nentina avy hatrany taty Antananarivo ireo jiolahy ireo ary taorian’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa jiolahy rain-dahiny amin’ny fangalaran’omby izy ireo. Izany indrindra no nahatonga ny vahoaka rombotra tamin’izy ireo satria efa maro ny fananana lasibatr’ireo olon-dratsy ireo tao an-tanàna. Niverina tamin’ny filaminana kosa ny tanana rehefa nody ny masoandro.
Ra Tax.