Tsaratanàna : 1000 Ariary ny kapoakam-bary
Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy. Misy fiantraikany tanteraka amin’ny vidiny ny tsy fahampian’ny orana manerana ny faritra maro eto Madagasikara ankehitriny. Any amin’ny distrika Tsaratanàna dia mahatratra 1 000 Ariary ny iray kapoaka.
Mimenomenona mafy amin’ny vidim-bary ny mponina. Ela ny ela fa tsy mbola nisy fiakaran’ny vidim-piainana tahaka ny tamin’ity fiandohan’ny taona 2017 ity, indrindra ny vidim-bary. In-telo isan’andro ny Malagasy no mihinam-bary satria tsy manana fahafahana hividy karazan-tsakafo hatao indray mihinana toy ny any amin’ny firenena mandroso ny maro. Vary irery ampiana laoka dia ahafahana miatrika ny tontolo andro. Tsy foto-tsakafo intsony anefa ankehitriny ny vary fa lasa fanampin-tsakafo satria dia tena mila tsy ho takatra intsony ny vidibny eny an-tsena. Tahaka izay mitranga any amin’ny distrikan’i Tsaratanàna faritra Betsiboka. Tafakatra 1 000 Ariary ny kapoaka ary 3 500 Ariary ny kilao. Iaraha-mahalala ny anton’izany dia ny tsy fahampian’ny orana manerana ny faritra maro eto Madagasikara ankehitriny eo ihany koa ireo mpanararaotra. Voatery nanova fomba amam-panao ny mponina any an-toerana, mihinana haninkotrana rehefa maraina sy antoandro fa ny alina ihany no mahandro vary ka mihena ny kapoaka handrahoina noho ny halafosany. Taratra amin’ny andavanandron’ny mponina fa tena efa isam-baravarana ny fahasahiranana. Marary ny sosialim-bahoaka : tsy fandriam-pahalemana, delestazy, vidim-piainana miakatra. Mamoha ny mpitondra fanjakana hamaha izao olana izao satria ny rehetra mihitsy no mizaka ny tsy eran’ny aina manomboka amin’ny zaza any am-bohoka izany. Inoana aza fa midina tanteraka ny fari-pahaizan’ny mpianatra satria noana no mandeha any an-tsekoly ka misy fiatraikany amin’ny fianarana izany.
Farah