Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Vohemar – Lasan’ny jiolahy ny vola 4 tapitrisa ariary

Azo lazaina fa ny vola no fototry ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Ny mpitondra manao ny ataony amin’ny asa tsy fandraisana andraikitra amin’ny olana maro eo amin’ny fiainan’ny mponina toy ny tsy fananana asa. Manoloana izany, roboka amin’ny asan-jiolahy ny tanora maro satria te mba hanam-bola mna hanovana ny fiainana. Tamin’ny  06 Febroary 2017 taminny 10 ora alina tany fokontany sy kaominina ambanivohitra Ampondra distrika Vohémar, ao anatin’ny faritra Sava. Araka ny loharanom-baovao dia lehilahy roa nitondra sakaosy misy entana no norobain’ny tanora efa-dahy raha nisakafo tamin’ny hotely lehibe iray tany an-toerana. Napetrak’izy mirahalahy ireo teo ambony latabatra io entana io nandritra izany fotoana izany. Marihina fa vola mitentina 04 tapitrisa ariary no tao. Tampoka teo anefa dia nalaini Judicael sy ny namany 03 lahy an-keriny io sakosy io. Lasa nitsoaka ireto farany niaraka taminny sakaosy nisy vola. Tsy lasa lavitra anefa dia tratra ny 03 lahy noho ny fiaraha-miasa tamin’ny fokonolona sy ny mpiandraikitra ny fandriam-pahalemana ao an-tanàna, anisan’izany i Judicael. Ny iray nitondra ny sakaosy kosa tafaporitsaka.  Voalaza fa samy monina ao Ampondra ihany izy rehetra ireo. Ny tobim-paritry ny zandary ao Vohémar no misahana ny famotorana. Fahalalahan’ny fampiasana ny internet, tsy fahampian’ny fifampiresahana ao an-tokantrano, fakantahaka ny hafa… ireo matetika no fototra mampanaotao foana ny sakan-jaza  sy ny tanora sasany satria tsy ampy ny fanabeazana noh ny tsy fahampian’ny fifampiresahana ao an-tokantrano. Tsy misy manoro, tsy ampy ny fampahalalana ny tokony sy ny tsy tokony hatao fa ny samy mpinamana sy ny mitovy taona no mifanora dia mirona amin’ny fiainana ratsy rehefa tsy mahita vahaolana hoenti-miarina.

Farah

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre