Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Jiro tapaka teny Anosimasina – Nanompa ny mpiasan’ny Jirama rehefa nantsoina

Efa samy leo daholo ny rehetra. Taorian’ny teny Anosimasina dia mandrahona hanao fitokonana koa ny eny Ampitatafika sy ny eny Vontovorna fa tena leo tanteraka ity delestazy tsy misy farany ity. Eny fa na ny mpiasan’ny Jirama aza dia efa tsy hitan’izy ireo intsony izay hanitrihana ny lohany amin’ny henatra manoloana ny vahaoka. Raha tsiahivina dia vao tamin’ny alarobia alina teo no nitokona ny vahoaka eny amin’ny fokontany Anosimasina, kaominina Bemasoandro Itaosy, Antananarivo Atsimondrano. Ny fototry ny olana dia ny fisian’ny “fil 7 metatra tapaka” tamina andrinjiro. Samy mpiray vodirindrina eo ihany dia misy ny jiro mandeha dia misy ny tsy mandeha. Nanao ezaka ireo tokantrano efa ho dimampolo mahery voakasiky ny fahatapahan-jiro niantso ny tompon’andraikitry ny Jirama. Nilaza ity farany fa mbola miandry “ fil” hovidiana hasolo ilay tapaka. Efa nandeha anefa ny telo andro ka farany namerina niantso indray ireo mponina. Teny ratsy  sy ompa vary raraka no nasetrin’ilay mpiasa nandray ny antso an-tariby ary tamin’izany no nilazany fa rehefa tsy mahandry tantana dia vidio izay “fil 7 metatra” tokony hapetaka eo.  Tezitra ny mponina nahare izany ka dia nanapa-kevitra hitokona ka nandahatra vato nanapaka ny lalana.  Ny hariva dia tonga ny Emmo sy ny fokonolona ary dia ny zandary mihitsy no niaro ny vahoaka sy namporisika. Ny Jirama moa efa tamin’ny 11 ora alina vao tonga nanao ny fanamboarana ary dia natohin’izy ireo  mivantana teny amin’ny “Haute tension” ilay tarobia tapaka ka niakatra ambony indray ny jiro ka nanimba zavatra maro.

S.A.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre