Vous êtes ici :

Dimanche 08 Septembre 2024

ombre

Avaratr’Amparafaravola – Jiolahy mpiketrika fanafihana lavon’ny bala

Jiolahy iray voalaza fa tompon’ny ketrika tamin’ny fanafihana maromaro, anisan’izany ilay tao Andilamena ny volana desambra lasa teo ity matin’ny zandary ity. Tao Avaratr’Amparafaravola no nisehoan’ny tantara tamin’ny alakamisy lasa teo. Raha ny vaovao voaray dia maro ny fitarainana azon’ny mpitandro filaminana mahakasika fanafihana maro ka tsy maintsy natao ny fikarohana an’io lehilahy io. Tao Amparafaravola noho izany no tra-tehaka izy ary nasaina avy hatrany nanoro ny fanafenany ny omby norobainy sy ireo fitaovana entiny manafika miaraka amin’ireo namany jiolahy. Nandritra ny fisavana natao dia omby 8 ihany no mbola tao am-bala tamin’ireo omby 80 nangalariny. Tamin’ny fotoana nandehanany hanoroana ireo namany anefa dia namoaka ny basiny ity jiolahy ity no sady nandeha nitsoaka. Rehefa nampitandrina elaela ireo zandary ny mba hijanonany dia tsy maintsy nitifitra fa tsy nety nijanona Ranamana. Maty tsy tra-drano rangahy tamin’izany. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre