Vous êtes ici :

Jeudi 19 Septembre 2024

ombre

Toamasina – Akoho 7 namonoana olona 2

Ny mamono akoho no misy fierana ankehitriny fa ny mandatsak’ain’olombelona kosa dia toy ny mamono biby kely. Toy ny tsy misy lalàna mipetraka intsony eto Madagasikara manolonana izany fitandrovana ny aina izany fa dia hita amin’ny endrika maro ny fandatsahana izany. Mananjina anefa ny aina ka dia tratra ireo nahavanon-doza herinandro taty aoriana.  Ny sabotsy 28 janoary teo tany amin’ny fokontany iray  Ambodigavo Andodabe, Toamasina  no niseho ny tantara. Tantsaha mpamboly sady mpiompy mipetraka an-dasy i Selesy mianakavy. Notafihan’ny jiolahy ka maty voafira antsy izy mivady. Niharan’ny fanolanana kosa ny zanak’izy ireo 12 taona. Tsy nisy na zavatra lehibe anefa azon’ireo jiolahy fa dia filan-dratsy fotsiny satria akoho 7 no lasan’izy ireo  tamin’izany. Herinandro aty aoriana, tratran’ny zandary ireo olona 4 tompon’antoka.

Mbola tao Toamasina ihany koa, izany hoe Tanambao Verrerie, Toamasina renivohitra dia voasambotry ny polisin’ny Fip omaly zoma tamin’ny 7 ora maraina i Verany 35 taona sy Rico 20 taona. Izy roalahy ireo izay nampitondra faisana ny vahoaka tao Verrerie sy Tanambao Verrerie sy ny manodidina rehetra iny raha ny loharanom-baovao azo tao amin’ny Ino Maresaka Tamatave. Lehiben’ny fikambanan-jiolahy, mpanendaka, mpanolana, mpamaky trano, samy ataon’izy  roalahy avokoa ireo asa maloto ireo. Loza ho an’i Toamasina izy roalahy ireo, hoy ny Commandant Fip Toamasina Jules Rafaliarivo.

S.A

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre