May volon-tratra ny mpitondra
Mikoropaka ihany rehefa teren’ny zava-misy ! Io no azo anazavana ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana tamin’ny faramparan’ny herinandro iny. Hita fa tena nanao izay ho afany mantsy ny manam-pahefana mba entina hampitoniana ny hatezeram-bahoaka. Nisy tokoa ny vahaolana nentina sy ny vokatra azo tamin’ny fihetsiketsehana be natao satria raha ny teto an-drenivohitra fotsiny dia tsapa fa nisy fihenany ny delestazy. Hita ihany koa ireny sambo mpanondrana andramena izay tratra sy nogejaina ireny. Ankoatra izany dia mandeha tsara ny asa fanamboarana tranomboky ao Antanimbarinandriana ary hatramin’ny orana aza toa lasa nirotsaka be. Raha fehezina dia faran’ny herinandro nahitam-pahombiazana ho an’ny mpitondra Fanjakana iny lasa iny.
Fahombiazana hitondra ho aiza anefa ? Raha ny zava-misy mantsy dia tonga amin’ilay fitenenana hoe ny tonta ihany no navadibadika. Fa maninona no nandrasana ho tonga amin’ny faratampon’ny fahadisoam-panantenana ny vahoaka vao naka fepetra sy fanapahan-kevitra hamaha ny olana mitranga ? Dia voatery hanao fihetsiketsehana sy hikorontana foana ve ny Malagasy vao hihetsika ny mpitondra ? Fa maninona no navela hijalijaly nandritra ny volana janoary sy ny herinando voalohan’ny febroary ny vahoaka vao mody midina ifotony sy mitondra vahaolana ry zareo nomena fahefana hitantana ny firenena ? Nandritra ny 40 andro mahery ny mpitondra Fanjakana dia nangina ary nijery fotsiny ny fahoriam-bahoaka. Rehefa nanomboka nipoaka ny tako-bilany izay vao mody nivoaka ny lapa sy manao fihetsiketsehana be.
Raha ny tena marina dia tsy tafiditra amin’ny asa fampandrosoana ny vokatra azo amin’ny hetsika ataon’ny fitondram-panjakana izao. Manarina ny lesoka fotsiny izy ireo. Famahana ny olan’ny delestazy izany tsy asa fampandrosoana intsony fa fanarenana ny fomba fitantanana tsy nety teo aloha fotsiny. Raha ny tokony ho izy dia tsy niaina izany delestazy izany intsony ny Malagasy. Tokony ho efa any amin’ny fampiakarana ny tahan’ny olona mahazo herinaratra no asa fampandrosoana. Izany hoe raha 14% no manana jiro talohan’ny nitondran’ny Hvm dia tokony ho avo roa na telo heny amin’io izany amin’izao. Tsy izay anefa no zava-misy satria io 14% io aza mikaikaika sy mijaly satria ny jiro efa nandeha tsara 10 taona lasa izay dia io fa tapatapaka noho ny delestazy indray.
Nirehareha fatratra ho tena miaro ny tontolo iainana ihany koa ny mpitondra tamin’ny fahatrarana ilay sambo saika hitondrana andramena any Afrika. Karazan’ny efa dokotera aorian’ny fahafatesana ihany anefa izany satria raha tena miaro ny ala dia tokony mahavita manakana ireo mpanapaka hazo. Tara loatra raha hazo efa any anaty sambo no ireharehana. Tsy azo averina hatsatoka sy hambolena mba haniry indray mantsy izy ireny. Raha ny filazan’ny manam-pahaizana dia am-polo taonany vao maniry ka lasa hazo lehibe ny andramena. Izany hoe tena fihemorana sy faharesena ho an’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny ekolojia ny fahatrarana andramena nisy nanapaka toy ireny.
Santionany kely tamin’ny zava-nitranga ny faramparan’ny herinandro ireo fa raha fintinina dia tsy azo ambara ho vokatra tafiditra amin’ny asa fampandrosoana ny nataon’ny mpitondra fa kosa fihetsiketsehena entina hamonoana ny afon’ny hatezeram-bahoaka fotsiny. Ny fihemorana noho ny tsy fahaiza-mitantana ihany no natao izay hanajanonana azy dia milaza fa mahavita mihaino sy mijery ary mahalala ny zavatra iainan’ny vahoaka. Raha toy izao ny hanohizana ny fitantanana ity firenena ity dia tsy azo antenaina ny hisian’ny asa fampandrosoana mivaingana ary hiandry vasoka eto ny Malagasy izay miandrandra fiovana. Ny mpitondra rahateo efa nilaza matetika fa tsy vita vetivety ny asa fampandrosoana fa mila fotoana maharitra. Izao ary izy tsy mbola manomboka ny asa koa rahoviana izany vao ho vita ?
Ravalo tsy Manana