Amboaran’ny CAF – Voatana ady sahala ny Elgeco Plus
Sarotra ny miandry ny solontena malagasy any amin’ny lalao miverina izay hatao ny alahady 19 febroary any Johannesburg, Afrika atsimo amin’ny 6ora sy sasany hariva any an-toerana. Voatana tamin’ny ady sahala (0-0) ny ekipa Malagasy izay miaro ny voninahitr’i Madagasikara any amin’ny amboaran’ny Kaonfederasionina afrikanina ny baolina kitra sy ny afrikanina tatsimo SuperSport United. Nanjakan’ny afrikanina tatsimo ny Kianja nandritra ny 15 minitra ny fizaram-potoana voalohany ary dia nionona tamin’ny fiarovan-tena ry Johny sy ry Milor tamin’ny fanafihana mifanesy nataon’ny mpifanandrina taminy. Na dia niezaka namAly fanafihana aza ny mpilalao Malagasy dia tsy nahita izany, moa koa mbola nifampitsapatsapa ny roa tonta. Nisaraka ady sahala 0 sy 0 ny mpifanandrina nandritra ny fizaram-potoana voalohany.
Tany amin’ny amin’ny fizaram-potoana faharoa vao niala ny tahotra ho an’ny mpilalao Malagasy. Ny ankamaroan’izy ireo koa vao sambany misedra lalao iraisam-pirenena. Nanjakan’ny Malagasy hatramin’ny farany izany ary nionona tamin’ny fanafihana tampoka fotsiny sisa ny afrikanina tantsimo. Vao tao amin’ny minitra faha-47 dia saika nahafaty i Bela lohalaharana Elgeco Plus fa nidona tamin’ny tsivalam-by ny baolina. Telo minitra taty aoriana dia mbola izy ihany koa no saika hanokatra ny isa fa saingy tany amin’ny harato kely no nifatrana ny baolina. Miisa enina teo ny “occasion de but” ho an’ny Malagasy fa saingy tsy nety nahatafiditra. “Hanova filalao izahay amin’ny lalao miverina raha ny fizotran’iny lalao androany iny. Ary dia hita fa nilalao tsara ny Malagasy saingy zava-dehibe taminay aloha ny tsy nahitana baolina maty taty antanin’olona”, hoy Stuart William Baxter, mpanazatra ny SuperSport United Fc. Ho an’ny Menahely Ruffin, mpanazatra ny Elgeco Plus dia miankina amin’ny fandehan’ny lalao ihany no hanovany paikady toy ny teo Mahamasina.
Safidy Andrianina