Vous êtes ici :

Vendredi 22 Novembre 2024

ombre

Fi.Ar.To – Hifanolo-tanana ny samy mpikambana

Fotoana iray ahafahan’ny samy mpikambana mihaona sy mifampiresaka ny fifampiharabana nahatratra ny taona vaovao fanaon’ny fikambanan’ny mpanakanto ao Toliary (Fi.Ar.To).

Notanterahina ny sabotsy lasa teo izany ary mbola tao amin’ny Telozoro Andrefan’Ambohijanahary hatrany. Tonga tao avokoa ireo mpanakanto avy any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy nifampitafatafa sy nivory ary indrindra niara-nifety. Nandritra ny fivoriana dia tapaka fa hisy ny fifanampiana eo amin’ny samy mpikambana. Ankoatra ny fifanankalozana traikefa eo amin’ny samy mpanakanto mpikambana dia hisy koa ny fikarakarana fiofanana ho an’ny rehetra. Ny mba hampitoviana lenta ny mpikambana rehetra eo anivon’ity fikambanana, indrindra fa eo amin’ny fikirakirana mozika no antony nikarakarana azy io. « Tsapa fa maro ireo mpanakanto mbola sahirana na ara-bola na ara-pitaovana sy ny maro hafa tsy voatanisa. Noho izany dia nanapa-kevitra izahay ny hifanolo-tanana amin’ny alalan’ny fikarakarana fiofanana maro samihafa », araka ny fanamarihan’i Julien Arembelo, filohan’ny Fi.Ar.to.
Mba hahafahan’ny mpikambana tsirairay mampiroborobo ny talentany sy manatevina ny sangan’asany dia anisan’ny ezaka hotratrarin’ny fikambanana amin’ity taona ity koa ny fanamboarana trano fandraisam-peo  sy famerenana. Anisan’ny olana iray sedrain’ny mpanakanto mantsy ny tsy fisian’ireny « studio » ireny ka antony iray tsy ahafahany mamoaka vokatra ara-potoana. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Fi.Ar.to ihany dia efa misy ny fananganana izany amin’izao fotoana ary efa an-dalam- panamboarana ny trano. Sehatra iray mampovoatra hatrany ny tontolon’ny fihavanana ny zava-kanto, indrindra ny mozika. Porofon’izany, mpikambana am-polony avy amin’ny fikambanan’ny mpanakanto, avy any Mahajanga notarihin’i Din Rotsaka no nanotrona ny Fi.Art.To tamin’io hetsika io. Nampiavaka ny hetsika ny fitandroana ireo fomba amam-panao avy any amin’iny faritra iny, ary ao anatin’izany ny famonoana omby sy ny fizarana ny nofon-kena mitam-pihavanana.

Ra Tax.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre