Vous êtes ici :

Jeudi 21 Novembre 2024

ombre

Maevatanàna – Taolam-paty 3 gony saron’ny zandary

Somary nangingina indray ny vaovao mahakasika ny halatra taolam-paty tato ho ato. Sarotra anefa ny hino fa tsy misy  tanteraka intsony izany satria dia malaza eny amin’ny fiarahamonina eny fa lafo dia lafo ny vidin’izy io. Tsy fantatra mazava izay fahamarinany fa matoa mbola misy ireo sahy manao ity asa maizina ity dia ao antony. Tamin’ny Zoma 10 febroary 2017 tamin’ny 10 ora sy  30 minitra maraina dia nisy ny fahatratraran’ny zandary taola-paty 3 gony tany amin’ny fokontany Antsakoamamy, Distrika Maevatanana Faritra Betsiboka. Araka ny loharanom-baovao  dia  mpamily fiara mpitatitra olona  avy any Maevatanàna mankany amin’ny toerana iray atao hoe Sampanana Mahazomà no nampandre ny mpitandro filaminana. Nisy olona roa nitondra entana hafahafa anaty gony niaraka tamin’izy ireo. Na ny fihetsik’izy ireo aza dia tena nampiahiahy ka nahatonga ity mpamily ity nandray fepetra avy hatrany.  Nandray ny manandrify azy koa ireo mpitandro filaminana ka roso tamin’ny fandraisana andraikitra. Nanao ny fisakanan-dalana ny zandary  telo tao Maevatanana. Taorian’izay natao ny fisavana ka avy dia ireo entana mampiahiahy avy hatrany no nojeren’ireto farany. Nitombina ny ahiahin’ilay mpamily ka taolam-paty miisa 324  no hita tao ary taolan-dava avokoa izany. Lehilahy 6O taona sy 56 taona monina any amin’ny kaominina Mahazomà sy Maria ireo tompon’ny entana, izay samy any amin’ny distrika Maevatanàna. Avy dia nosamborina ireo olona voarohirohy ireo hatao famotorana, izay sahanin’ny borigadin’ny zandarimaria ao Maevatanàna.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre